“Harenina ny orinasa Jirama hiavo-tena hialana sy hisorohana ny delestazy ary ny mpanjifa no andrianina”, hoy ny minisitry ny angovo Fienena Richard, raha nitafa manokana taminay ny faran’ny herinandro teo. Fomba fiasa vaovao io hialana amin’ny fimenomenon’ny mpanjifa tsotra sy ireo mpandraharaha. Anisan’ny laharam-pahamehana amin’ny departemanta tantanany amin’izao ny tetikasa momba ny fanitarana amin’ny fahazoana angovo azo havaozina, ary efa vonona, hoy ity minisitra ity ireo mpiara-miombon’antoka.
Omena tombondahiny ny tontolo ambanivohitra
Raha ho an’i Toliara manokana, hoy izy, izay faritra manan-karena rivotra sy masoandro dia zava-dehibe ny angovo azo avaozina. Nanome toky ihany koa ny tenany, fa omena tombondahiny ny tontolo ambanivohitra ho fototry ny fampandrosoana amin’ny tetikasa fanamafisana ny fametrahana herinaratra. Asa vadidrano anefa izany, ka tsy vita raha tsy ifanakonana mba hahitam-bokatra haingana. Nanentana ny mpanjifa tsy ankanavaka ny tenany mba samy handoa ny faktiora hampihodinana ny orinasa. Vonona ny minisitra Fienena Richard hiaraka hiasa amin’ny rehetra ary misokatra midanadana ny varavarana. Hamafisina ny ady amin’ny kolikoly ho fampandrosoam-pirenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.