Politique

Marc Ravalomanana Nandefa iraka hanomana ny fodiany


  • Alatsinainy 28 Aprily 2014

Nitohy ny sabotsy teo tao amin’ny Magro Tanambao V ny hetsiky ny ankolafy Ravalomanana Toamasina. Niditra nivantana tamin’ny antso an-tariby nandritra izany ny lehiben’ny ankolafy Ravalomanana Ravatomanga Rolland.

 Nambaran’ity farany tamin’izany fa hisy mpisolovava vahiny mahay momba ny zon’olombelona ho tonga eto Madagasikara ny talata izao (rahampitso). Iraka manokana nalefan’Atoa Marc Ravalomanana ity mpisolovava ity, ary hanomana ny fiverenany an-tanindrazana satria hisy ny resaka hifanaovany amin’ny filoham-pirenena, ny praiminisitra, ny solotenan’ny Vondrona Eropeana, ny masohivoho amerikana sy afrikana tatsimo,…ary ny minisitry ny fitsarana vaovao ihany koa.

Noho izany, dia aorian’ny tatitra ataon’ity mpisolovava ity no ahalalana ny fahatongavan’Atoa Marc Ravalomanana an-tanindrazana, izay rahateo no nampiatoana ny fihaonam-ben’ny antoko Tiako I Madagasikara tokony natao ny 26 aprily teo. Ankilan’izay, dia nambaran’ny Dr Rakotomanana Gervais izay mpanomana ny hetsika ny sabotsy teo tao amin’ny Magro Toamasina, fa “mitohy ny tolona ary tokony samy hanana ilay finoan’ny filoha Marc Ravalomanana ny mpiara-mitolona amin’ny ‘Aza matahotra fa minoa fotsiny ihany’.

Tsy mpanohitra isika fa mpiara-miasa amin’ny filoham-pirenena araka ny baikon’ny filoha Ravalomanana”. Namafisin’ireo mpiara-mitolona ao Toamasina izany, ka nilazan’izy ireo koa fa “ny fanomanana hahazoana toerana maro amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy fifidianam-paritra ary ireo loholona no tanjon’ny ankolafy Ravalomanana izao”. Ankoatra izay dia miomana ny haka toerana maromaro eo anivon’ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena ny depioten’ny ankolafy Ravalomanana eny Tsimbazaza araka ny nambaran’Atoa Ravatomanga Rolland.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT