Nalahelo sy kivy ny olona tsotra sy ny mpanao politika any Ambatondrazaka tamin’ny fijoroan’ny governemanta voalohan’ny repoblika fahefatra fa toy ny niangarana ka tsy nahazo na dia minisitera iray aza ny zanaky ny Faritra Alaotra.
Ireo filoham-pirenena nifandimby hatramin’izay dia nanome lanja ireo manampahaizana avy amin’iny faritra Alaotra iny. Ankehitriny toa lasa zanak’ikalahafa Antsihanaka, hoy ny tantsaha iray ka hanantena inona amin’io governemanta io ? Mamokatra avara-pianarana i Alaotra saingy tsy mbola tazana amin’izao governemanta vaovao izao izy ireo.
Miandrandra fampandrosoana ny mponina any Alaotra. Betsaka ireo tsy an’asa tsy fidiny vokatry ny raharaha 2009. Nanantena izy ireo fa ity governemanta tarihan’ny dokotera Kolo Roger ity no masoandro miposaka ho azy ireo. Hakiviana aloha hatreto no hita misoritra eny amin’ny tavan’ny mponina any Alaotra satria nanantena fa hanana olona azo hitarainana kinanjo ny faritra hafa no nahazo vahana ao amin’ny governemanta. Betsaka anefa ireo zavatra mankarary ny mponina any Alaotra raha tsy hiresaka afa tsy ny lalam-pirenena faha-44.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.