Politique

Famindram-pahefana minisitra Feno havana aman-tsakaiza sy akamakama ny biraom-panjakana


  • Zoma 25 Aprily 2014

Ankoatra ilay filazana tsianjery «hanao ady amin’ny kolikoly» nataon’ireo minisitra nanao famindram-pahefana ny talata 22 aprily, dia ny fanohizana ny nataon’ny minisitra dimbiasana sy ny mbola hiantsoana azy ireo raha toa ka misy traikefa tokony halaina aminy no niverimberina am-bavan’ireo minisitra vaovao ny alarobia sy omaly alakamisy.

 Sambany koa, hoy ny fanamarihan’ny teny Ampandrianomby manokana ny mba nisy famindram-pahefana niavaka tahaka izao ka feno hipoka foana izay birao na efitra fivoriana nanatanterahana izany fifamindram-pahefana izany. Tonga daholo hatramin’ireo tsy nasaina fa mba te hihaona mivantana amin’ny minisitra  sao mba tafiditra mpikambana anaty kabinetra. Ny fianakaviana sy ny akamakama amin’izany manginy fotsiny. Nangorohoro ireo mpiasa tsotran’ny minisitera fa hisy hosoloina amin’ireo «staff» manokana marobe miaraka amin’ny minisitra  vaovao. Tena zava-baovao tsy fahitan’ny Malagasy hatrizay izany ê !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT