• Sabotsy 03 Mey 2014
Politique.Minisitry ny vola Mila hatsaraina ny fampidiram-bola anatiny

Mahatratra 1 miliara euros ny filana ara-bola amin’ity taona 2014, hoy ny Minisitry ny vola Razafindravonona Jean.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 03 Mey 2014
Politique.Rina Rabemananjara “Maika ny fanokafana ireo radio sy tele nakatona”

Efa nahatratra 1000 mahery ny mpanao gazety malagasy matihanina mpikambana tao anaty holafitra sady nahazo karatra ara-dalàna tany amin ny taona 2008, hoy i Rina Rabemananjara mpanao gazety sady mpikambana tao amin ny biraon’ny holafitra farany notarihan’i Rufin Rakotomaharo.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 03 Mey 2014
Politique.Solombavambahoaka Kamboty ireo Distrika 4

Tsy maintsy averina ny fifidianana solombavambahoaka ao amin’ireo Distrika efatra dia i Sainte-Marie, Belo-Tsiribihina, Marovoay ary Ambanja, araka ny didy navoakan’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana tamin’ny volana janoary 2014.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 03 Mey 2014
Politique.Antoko Tia Tanindrazana “Avelao hody malalaka i Marc Ravalomanana”

Endrika vaovao, fomba fijery vaovao ! Izay no re sy hita nandritra ilay fandaharana “L’invité du Zoma” tao amin’ny TV Plus ny zoma alina teo. Mpanao politika tanora nefa manana fijery lavitra noho ny traikefa nananany momba ny fampandrosoana ny firenena no niaka-tsehatra dia Razafinjoelina Tahina.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 02 Mey 2014
Politique.Antenimieram-pirenena Nosoloina ireo depiote dimy voatendry ho minisitra

Hita fototra ny fahabangan-toerana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena taorian’ny nanendrena ho minisitra ireo depiote dimy mpikambana tao, araka ny taratasy nalefan’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine tany amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana tamin’ny 25 aprily.

Hamaky ny tohiny
FTT