Endrika vaovao, fomba fijery vaovao ! Izay no re sy hita nandritra ilay fandaharana “L’invité du Zoma” tao amin’ny TV Plus ny zoma alina teo. Mpanao politika tanora nefa manana fijery lavitra noho ny traikefa nananany momba ny fampandrosoana ny firenena no niaka-tsehatra dia Razafinjoelina Tahina.
Talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida Dr Jean Louis Robinson farany teo izy, ary Filohan’ny antoko Tia Tanindrazana, izay nijoro tamin’ny taona 2012. Nahitsy ny teniny : mila havaozina ny fanaovana politika eto raha tiana handroso marina i Madagasikara. Aoka izay ny fiheverana ny fanaovana ny politika ho asa fivelomana ka hangoronan-karena, fa politika mampandroso ny firenena no ndao hobanjinina, hoy Razafinjoelina Tahina.
Miainga amintsika Malagasy anefa izany ary mila fahasahiana ! Ndao hialana ny toe-tsaina zatra resy sy mandefitra lava na miovaova hevitra, fa ndao hijoro ho an’ny tanindrazana. Mandraisa andraikitra ! Mila fototra mazava anefa izany, hoy Razafinjoelina Tahina, dia ny fampihavanam-pirenena sy ny fitsarana atahoran’ny fitondrana, tsy hisian’ny fanararaotana na fihoaram-pefy. Tsy hisy fampandrosoana azo antenaina ao anatin’ny lonilony sy fifankahalana, hoy izy, ary tsy ho avy koa ny mpamantsy vola raha fitsarana mitanila sy tsy azo itokisana no eo.
Koa fotoana izao hijoroan’ny Malagasy, ary mila sahy ny fitondrana, hanaja marina ny teny nomeny ka hanatanteraka ny fampihavanam-pirenena, ka hamelana malalaka ireo sesitany politika rehetra hody an-tanindrazana ao anatin’izany ny filoha Marc Ravalomanana, handray anjara amin’ny raharaham-pirenena. Noraisiny ho maodely ny nataon’ny Afrikanina Tatsimo sy Rwanda izay firenena rotiky ny ady an-trano nahatsiravina, 20 taona lasa, nefa izao anisan’ireo firenena mandroso sy matanjaka indrindra ara-toekarena aty Afrika.
“Hijoro hitsikera sy hanitsy ho arofanina raha misy tsy mety ataon’ny fitondrana fa tsy hifamitaka lava eto”
Tanora novolavolaina teto Madagasikara Razafinjoelina Tahina, fifidianana filoham-pirenena in-telo miantoana no nitondrany ny traikefany ara-teknika sy nibeazany ara-politika. Nisafidy ny fotoana aorian’ny nijoroan’ny governemanta izy vao niteny, maneho hevitra. Mitsodrano ny governemanta hiasa izy, nefa nilaza mazava fa hijoro hitsikera sy hanitsy ho arofanina raha misy tsy mety ataon’ny fitondrana fa tsy hifamitaka lava eto, izy rahateo koa moa mpanao gazety.
Vonona hitondra vahaolana sy anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny firenena miainga amin’ny fanabeazana ny vahoaka koa anefa, satria adidin’ny antoko politika rahateo izany. Nitaona ny Malagasy hanjifa ny vita Malagasy ny tenany, ary miantso ny fanjakana ihany koa hanohana ny orinasa Malagasy hivoarany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.