Hita fototra ny fahabangan-toerana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena taorian’ny nanendrena ho minisitra ireo depiote dimy mpikambana tao, araka ny taratasy nalefan’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine tany amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana tamin’ny 25 aprily.
Namoaka didy fanapahana ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny 30 aprily milaza fa Razaha Tondraha no misolo ny toeran’i Maharante Jean de Dieu, voafidy tao Toliara I tamin’ny anaran’ny MAPAR ; Rasolofo Samuelson Jean Baptiste no maka ny toeran’i Ndahimananjara teraka Randrianarison Bénédicte Johanita, voafidy tao Toamasina I tamin’ny anaran’ny MAPAR ; Tovonay no nasolo an’i Fienena Richard voafidy tao Manja tamin’ny anaran’ny VPM-MMM ; Mananjara Rufine Aurélie no manolo an-dRamparany Ramanana Anthelme avy amin’ny lisitra «Indépendant Fihavanana sy Fampandrosoana Mirindra» voafidy tao Mananjary ; Rakotomanana Solonirina Andriambelovololona no misolo toerana an-dRandrianarisoa teraka Ramahatodisolomanana Vaonalaroy voafidy tamin’ny lisitra «Mpirahalahy Mianala» tao Brickaville. Araka io dia nihena iray ny isan’ny solombavambahoaka vehivavy ao Tsimbazaza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.