Mahatratra 1 miliara euros ny filana ara-bola amin’ity taona 2014, hoy ny Minisitry ny vola Razafindravonona Jean.
Tsy am-pelatanana avokoa anefa ireo volabe ireo satria miankina amin’ny fifandresen-dahatra amin’ireo mpamatsy vola no ahalalana izay ho azontsika araka ny fanazavany hatrany nandritra ny atrikasa fanaovana tombana momba ny tetibolam-panjakana. Mba tsy hiankinana be loatra amin’ny vahiny, araka izany, dia ny fanatsarana ny vola miditra anatiny amin’ny alalan’ny hetra sy haba no tokony himasoana. Momba ny hetra izay indrindra dia nahatratra 87,93% raha oharina amin’ny vina ny tsindrin-ketra tamin’ny telo volana voalohan’ny taona. Nohararaotin’ny Minisitra moa ity fotoana ity hanakianana ny fomba fitantanan’ny Minisitera izay nangataka fampitomboana tetibola nefa tsy mangarahara akory ny fampiasana izany. Mbola lavitrezaka, hoy izy ny fampiharana ny tetibola miainga amin’ny fandaharanasa eny anivon’ny Minisitera samihafa satria mbola ny fomba fiasa taloha hatrany no tena manjaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.