Politique

Solombavambahoaka Kamboty ireo Distrika 4


  • Sabotsy 03 Mey 2014

Tsy maintsy averina ny fifidianana solombavambahoaka ao amin’ireo Distrika efatra dia i Sainte-Marie, Belo-Tsiribihina, Marovoay ary Ambanja, araka ny didy navoakan’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana tamin’ny volana janoary 2014.

 Vinavinan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana mandritra ny tetezamita ny tokony hanatanterahana izany ny 30 mey 2014 ho avy izao. Ilana ny fankatoavan’ny filankevitry ny minisitra anefa io daty natolotry ny CENI-T ho amin’ny faran’ny volana io. Nisy filankevitry ny minisitra omaly fa tsy anisan’ny lahadinika tamin’izany ny momba io didim-panjakana io. Mila andrasana aorian’izay anefa ny famoahana didim-panjakana avy amin’ny filankevitry ny governemanta manainga ireo mpifidy handray anjara amin’ny fifidianana.

Ankoatra ireo dia mbola dingana hafa ihany koa ny fanomanana eo amin’ny lafiny ara-pitaovana sy ny fanentanana ny olom-pirenena feno taona. Mitaky fotoana lavalava ny fikarakarana ireo izay midika fihemorana hatrany amin’ny volana maromaro. Ny raharaham-pirenena anefa tsy afaka miandry fa tsy maintsy miroso hatrany. Na izany na tsy izany dia kamboty solombavambahoaka ireo mponina ao anatin’ireo Distrika efatra ireo ary mety adino koa ny asa fampandrosoana ho azy ireo. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT