Efa nahatratra 1000 mahery ny mpanao gazety malagasy matihanina mpikambana tao anaty holafitra sady nahazo karatra ara-dalŕna tany amin ny taona 2008, hoy i Rina Rabemananjara mpanao gazety sady mpikambana tao amin ny biraon’ny holafitra farany notarihan’i Rufin Rakotomaharo.
Nandritra ny tetezamita anefa dia namoaka karatra vaovao ny rafitra tsy fanta-piaviana izay niara-nisaika tamin’ny fitondrana tamin’izany ka manodidina ny 700 ny mpanao gazety nahazo karatra tamin’izany kanefa ny fifidianana biraon’ny holafitra tsy mbola vita akory fa dia natao tefy maika, hany ka nisy mpanao gazety 300 nodiana tsy fantatra ary anisan’ireo ny mpanao gazety niasa tamin’ireo haino aman-jery nakaton’ny fitondran-dRajoelina efa nisy niasa an-taonany maro (nihoatra ny 10 taona).
Ny maika izao dia ny fanokafana ireo radio sy tele nakatona, hoy i Rina Rabemananjara, vita izay dia averina hisaina ny mpanao gazety matihanina sy mahafeno fepetra, izay vao mizara ny karatra vaovao ary aorian’izay vao miroso amin’ny fivoriana itambarambe hifidianana ny biraon’ny holafitra vaovao. Araka ny fanazavany ihany dia tokony hanana fahasahiana ny Minisitra vaovao satria iankinan-javatra maro eto amin ny firenena ny famahana ny olana mianjady amin ny mpanao gazety, indrindra ireo very asa tsy fidiny vokatry ny korontana politika.
Tokony ho pejy vaovao no hiainan’ny mpanao gazety, hoy ity namana ity nanohy ny teniny satria efa fitondrana vaovao no mijoro ka ny faniriana, hoy hatrany i Rina Rabemananjara namarana ny teniny dia ho vita hatreo ny nofy ratsy nianjady tamin ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Ankalazaina amin’ity 03 mey ity rahateo ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, dia ho sahy hanonona izany fahalalahana izany ve ny mpitondra nefa dia misy haino aman-jery mbola mikatona voatapim-bava izao ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.