Havadika ho antoko politika tsy ho ela ny HVM (Hery Vavaon’i Madagasikara), hoy ireo lohandohan’ny mpisorona ao aminy, notarihin-dRabary Njaka Henry nitafa harivariva tamin’ny mpanao gazety omaly tetsy amin’ny foiben-toerany etsy Antanimena ary efa mivonona amin’ny fiatrehana ny fifidianana rehetra ho avy. Nilaza anefa izy ireo fa misy misoloky ny anarana HVM any ho any mba hanangonam-bola fa hoe mahatafiditra ho Loholona na Lehiben’ny Faritra na Ben’ny tanàna … Nilaza anefa ireo mpitarika fa tsy mbola misy toromarika avy amin’ny foiben’ny fikambanana mihitsy momba izany fa mpisoloky ireny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.