• Zoma 09 Mey 2014
Politique.Governemanta Kolo Roger Hiaka-dapa eny Tsimbazaza anio

Anio amin’ny 3 ora tolakandro no hiatrika voalohany ny solombavambahoaka eny Tsimbazaza ny governemanta tarihan’ny Dr Kolo Roger.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 09 Mey 2014
Politique.“Groupement des Associations Régionales” Nivadika ho antoko “Gasikara Antsika Rehetra”

Feno enin-taona amin’ity taona ity ny GAR na «Groupement des Associations Régionales», fikambanana najoron’Atoa Mahavimbina Alain niatrehana ny fifidianana mpanolotsaim-paritra ny taona 2008, ary anisan’ny nahatonga azy ho lehiben’ny Faritra Atsinanana ny volana jona 2009.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 09 Mey 2014
Politique.MAPAR Ifandrotehan’i Maharante sy Razanamahasoa

Mety hifarana amin’ny fivakisana toy ny nahazo an’ireo antoko politika maro teto amin’ny firenena ary famoronana anarana vaovao indray ny adilahy misy eto amin’ny samy mpikambana MAPAR. Samy miady ho lohany ho mpitondra tenin’ny MAPAR mantsy ankehitriny Rtoa Razanamahasoa Christine sy Atoa Maharante Jean de Dieu ary samy nihiaka no manana ny maro an’isa eo amin’ireo depiote mpanaraka azy avy.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 08 Mey 2014
Politique.Antenimieram-pirenena Hifidy filoham-baomiera indray anio

Ankoatra ny famindram-pahefana natao teo amin’ny filoha lefitry ny Faritanin’Antananarivo roa tonta Rasolonjatovo Henri (teo aloha) avy amin’ny GPS sy Razafimanantsoa Hanitra (vaovao) avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, izay notronin’ireo birao maharitra vaovaon’ny Antenimiera notarihan’ny filohany Rakotomamonjy Jean Max sy mpiara-mitolona ary mpiara-miasa akaiky an’ireo depiote ny maraina, dia somary nangingina ihany ny teny amin’ny Lapam-panjakana teny Tsimbazaza omaly takariva na dia teo aza ny fanohizan’ireo ao amin’ny birao maharitra ny fandinihana ny ho fandaharam-potoana amin’ny manaraka hanohizana ny fivoriana.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 08 Mey 2014
Politique.Rév. Satrobory Hosokafako Ambohijatovo

Lasa resa-be nanerana ny tanàna ilay filanjana lakolosy teny ivelan’ny Lapan’i Tsimbazaza, hoy ny Rév. Satrobory tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly. Ho antsika, efa lasa lavitra ny dia, hoy izy, ka tandremo sao tafita vao rendrika.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 08 Mey 2014
Politique.Mac Siou Im Hervé Nanantena ho depioten’i Mananjary, tapa-kevitra ho kandidà Ben’ny tanàna

Nampanantsoin’ny depiote lohalisitra, Ramparany Ramanana Anthelme niaraka taminy izay lasa minisitra Atoa Mac Siou Im Hervé lisitra faharoa tamin’ny tsy miankina Fihavanana sy Fampandrosoana Mirindra tany amin’ny Distrikan’i Mananjary fa hoe ho lasa depiote hisolo azy.

Hamaky ny tohiny
FTT