Politique

MAPAR Ifandrotehan’i Maharante sy Razanamahasoa


  • Zoma 09 Mey 2014

Mety hifarana amin’ny fivakisana toy ny nahazo an’ireo antoko politika maro teto amin’ny firenena ary famoronana anarana vaovao indray ny adilahy misy eto amin’ny samy mpikambana MAPAR. Samy miady ho lohany ho mpitondra tenin’ny MAPAR mantsy ankehitriny Rtoa Razanamahasoa Christine sy Atoa Maharante Jean de Dieu ary samy nihiaka no manana ny maro an’isa eo amin’ireo depiote mpanaraka azy avy.

 Irery andiany voalohany nivory teny amin’ny Roxy Antaninarenina omaly dia mbola mitana ny heviny amin’ny tsy fankasitrahana ny fanovana natao teny anivon’ny Antenimieram-pirenena ka niziriziry tsy nety nandray anjara tamin’ny latsa-bato nataon’ireo solombavambahoaka nifidianana ireo filohana kaomisiona 31 sy ny mpampakatenin’ny raharaha ara-bola 1. Iretsy an-kilany kosa niaraka tamin’ny minisitra Bevata teny Antaninarenina ihany, tao amin’ny “Buffet du Jeardin” tsy lavitra teo. Niditra soa aman-tsara tanaty fifidianana ka nibako toerana maromaro tamin’ireo filohana vaomiera 31 nisafidianana. Raha ny tombana aloha ary araka ny nolazain’ny teny Antaninarenina hoe tsy nanaraka “discipline de parti” ireo mpiaraka amin’i Maharante Jean de Dieu dia tsy ho afaka hitana ny anarana Miaraka amin’ny Prezidà Andry Rajoelina izy ireo fa mety hanova ny azy hoe Miaraka amin’ny Minisitra Maharante Jean de Dieu. Ho hita eo ihany !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT