Anio amin’ny 3 ora tolakandro no hiatrika voalohany ny solombavambahoaka eny Tsimbazaza ny governemanta tarihan’ny Dr Kolo Roger.
Fotoana hamelabelarana ny politika ankapoben’ny fanjakana ihany koa izy ity, hahafantarana ny asa hatao mba hanatanterahana ny fandaharanasan’ny filoham-pirenena nambarany nandritra ny fampielezan-kevitra. Nilaza fa hanatsara ny fampianarana, hanafoana ny delestazy, hanamboatra lalana, hanafoana ny asan-dahalo, hanao fampihavanam-pirenena ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Ahoana ny fomba hanatanterahan’ny governemanta izany ? Izay no andrasan’ny maro amin’ity fihaonana eny Tsimbazaza ity.
Ho hita eo ihany koa izay tena fahaizan’ny governemanta mandaha-teny sy mamelabelatra hevitra, azo itarafana avy hatrany ny mety ho tohin’ny tantara ity fifanatrehana anio ity. Mifanojo indrindra amin’ny 100 andro naha teo amin’ny fitondrana ny filoha Hery Rajaonarimampianina izao famoahana ho fanta-bahoaka ny politika ankapoben’ny fitondram-panjakana izao. Tsy tena mbola azo hitsarana na hanakianana ny fitondrana iny 100 andro iny satria sangodim-panina politika no tena mbola nibahan-toerana ary tsapa fa mbola tena niezaka nametraka ny olony sy ny fahefany ny filoham-pirenena.
Manomboka eto kosa anefa dia ho hafa tanteraka mihitsy ny fandehan’ny raharaha satria hotsaraina amin’izay ambarany sy ataony amin’izay ny governemanta, ary mila fe-potoana mazava ny olom-pirenena fa tsy sanatria boriboriana fotsiny ilay resaka. Aleo atao mazava hoe : ho vita ve sa tsia ilay fanafoanana ny delestazy manerana an’i Madagasikara ao anatin’ny enim-bolana, ary oviana no tena manomboka ny fanisana an’io enim-bolana io ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.