Feno enin-taona amin’ity taona ity ny GAR na «Groupement des Associations Régionales», fikambanana najoron’Atoa Mahavimbina Alain niatrehana ny fifidianana mpanolotsaim-paritra ny taona 2008, ary anisan’ny nahatonga azy ho lehiben’ny Faritra Atsinanana ny volana jona 2009.
Ho fankalazana ny faha-6 taonan’ny GAR izany dia nanapa-kevitra ny mpikambana ao aminy fa hiova ho antoko politika izy ireo ka lasa «Gasikara Antsika Rehetra» indray no hiantsoana ny GAR manomboka izao, mbola Atoa Mahavimbina Alain ihany no filoham-boninahiny, izay efa nahavitan’izy ireo filazana ny antom-pisiana eo anivon’ny minisiteran’ny atitany araka ny lalàna mifehy ny antoko politika malagasy. Hisy lanonana hataon’izy ireo anio alina ao amin’ny «Bateau Ivre». Hitohy ao amin’ny efitrano malalaky ny Lycée Stella Maris ny hetsika ny sabotsy. Ny Gasikara Antsika Rehetra (GAR) izany no antoko politika faharoa niforona tao Toamasina taorian’ny antoko Malagasy Tonga Saina (MTS).
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.