Nampanantsoin’ny depiote lohalisitra, Ramparany Ramanana Anthelme niaraka taminy izay lasa minisitra Atoa Mac Siou Im Hervé lisitra faharoa tamin’ny tsy miankina Fihavanana sy Fampandrosoana Mirindra tany amin’ny Distrikan’i Mananjary fa hoe ho lasa depiote hisolo azy.
Diso fanantenana tahaka ny vahoaka any Mananjary niandrandra azy hitondra anjara birikim-pampandrosoana miaraka amin’izy ireo anefa izy. Ny lisitra fahatelo izay mpisolo toerana voalohany mantsy no notendren’ny HCC ho solombavambahoaka vaovao araka ny andininy faha-71 andalana faha-2 ao amin’ny lalàmpanorenana. Nambaran’Atoa Mac Siou Im Hervé notronin’ireo solontenan’ny vahoaka avy any Mananjary notarihan’ny Mpanjaka Janvier omaly fa rehefa nila hevitra tamin’ny minisitry ny asa sy ny mpiara-miasa aminy izy sy ireo mpanara-dia azy dia resy lahatra fa ny lalàna no namaritra ny mpisolo toerana ho lasa depiote vaovao. Manaiky izany izahay, hoy izy, satria ny tena tsy mpanohitra fanjakana velively.
Na izany aza dia tokony mba hieritreritra ihany ny nametraka io lalàna io anaty lalàmpanorenana, hoy izy, satria tsy manome lanja velively ny kandidà lisitra faharoa tamin’iny fifidiananana depiote teo iny izany. Na dia notoloran’Ingahy minisitra toerana anaty minisitera aza ny tenako, hoy Atoa Mac Siou dia tsy nanaiky izany satria ny hisolotena ny vahoaka amin’ny fampandrosoana an’i Mananjary no nilokalokana ka angamba mety kokoa ny hirotsahako ho kandidà Ben’ny tanàna mba hampanjariana izany vina fanakaikaizana ny vahoaka izany. Mba manao tsilian-tsofina koa ny tenako, hoy izy, mba hijeren’ny tompon’andraiki-panjakana mahefa an’i Vatovavy ho lasa Faritra iray mahaleotena hisaraka amin’i Fitovinany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.