Ankoatra ny famindram-pahefana natao teo amin’ny filoha lefitry ny Faritanin’Antananarivo roa tonta Rasolonjatovo Henri (teo aloha) avy amin’ny GPS sy Razafimanantsoa Hanitra (vaovao) avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, izay notronin’ireo birao maharitra vaovaon’ny Antenimiera notarihan’ny filohany Rakotomamonjy Jean Max sy mpiara-mitolona ary mpiara-miasa akaiky an’ireo depiote ny maraina, dia somary nangingina ihany ny teny amin’ny Lapam-panjakana teny Tsimbazaza omaly takariva na dia teo aza ny fanohizan’ireo ao amin’ny birao maharitra ny fandinihana ny ho fandaharam-potoana amin’ny manaraka hanohizana ny fivoriana.
Raha ny soratra tazana eo amin’ny solaitrabe filazan-draharaha ao amin’ity Lapa ity dia anio alakamisy manomboka amin’ny 9 ora maraina ny fivoriana hitambarana handaniana ny volavolam-pandaharam-potoana voalaza io. Raha ny tsilian-tsofina heno dia hibahan-toerana amin’izao manaraka izao ny fifidianana an’ireo ho filoham-baomiera 31 vaovao. Eo koa ny fanoloran’ny praiminisitra ny programan’asany eo anoloan’ireo solombavambahoaka mivantana araka ny voalazan’ny lalàna, amin’ny sabotsy izao. Raha ny tsikaritra teny an-toerana dia efa tapitra nesorin’ny tompon’andraikitra avokoa ireo sarin’ireo birao maharitra sy filoham-baomiera Mapar nirantiranty fotoana fohy tao amin’ny lalantsara fidirana amin’ity Lapa ity. Fantatra kosa fa efa niditra amin’ny trano fiasan’ny Kestora I ny tompon-toerana vaovao, Randrianasoloniaiko Siteny, fa mbola miandry any aoriana ny famindram-pahefana, hoy izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.