Lasa resa-be nanerana ny tanŕna ilay filanjana lakolosy teny ivelan’ny Lapan’i Tsimbazaza, hoy ny Rév. Satrobory tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly. Ho antsika, efa lasa lavitra ny dia, hoy izy, ka tandremo sao tafita vao rendrika.
Faly aho mahare fa hilatsaka ho Ben’ny tanàna indray i Andry Rajoelina satria hamalifaty, hono, izy. Ny hifaninana aminy mihitsy no efa nofinofiko hatramin’izay, hoy i Satrobory ka raha vao resiko eo izy ka voafidy aho dia ny Kianjan’ny Demokrasia etsy Ambohijatovo no hosokafako voalohany, mba hilazan’ny olona ny hetahetany. Nanao rodobe ny mpomba ny Mapar ny talata teo, hoy ny depiote Rasoanoromalala Marie Horace, hamerina an-dRazanamahasoa Christine ho filohan’ny Antenimieram-pirenena, hono. Iray andro ihany anefa ny tolona dia nangina. Efa voalaza ela fa tsy ara-dalàna ny nahalany ny birao maharitra taloha ary mety voafitaky ny namany ihany ny Mapar. Ny mpitolon’ny Magro anefa dimy taona mbola ireo ihany. Ity tolona ity no naha depiote anay. Na inona na inona hataon’ny fitondrana, ny famerenana an-dRavalomanana an-tanindrazana ihany no goavana indrindra, hoy i Guy Roger. Mila karakaraina koa ny gadra politika sy ny haino aman-jery nakaton’ny FAT.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.