• Alakamisy 19 Jona 2014
Politique.Depiote Randrianantenaina José «Hody i Marc Ravalomanana, hihodina ny orinasa Tiko»

Tamin’ny teny hentitra sy feno fanantenana no nanamafisan’ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Antsirabe II, Randrianantenaina José, fa efa voarakitry lalàna ny fodian’ny filoha Ravalomanana eto Madagasikara ka ny fampiharana azy sisa no andrasan’ny rehetra.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 19 Jona 2014
Politique.Vondron’ny mpanohitra Hanao fihaonambe mandritra ny roa andro

Hifamotoana etsy amin’ny Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary ireo antoko politika miisa 10 sy fikambanana miisa 60 mivondrona amin’ny vovonana mpanohitra, miara-dia amin-dry Lalatiana Ravololomanana.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 18 Jona 2014
Politique.Hery Rajaonarimampianina “Atsaharo ny fivoizana vaovao tsy marina”

Marefo ny fandaminana ny sehatry ny fananantany eto Madagasikara tany aloha ka nahatonga ireo korontana maro samihafa matetika.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 18 Jona 2014
Politique.Naivo Raholdina “Tokony ho saro-piaro amin’ny teny malagasy”

Mankalaza ny iray volan’ny teny Malagasy isika mandritra ity volana jona ity.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 18 Jona 2014
Politique.Patrick Raharimanana Nanao vaky bantsilana momba ny fampihavanam-pirenena

Tiana hisy marina ve izany fampihavanam-pirenena izany ? Tena miady ve ny Malagasy ka mila hampihavanina ? Ataon'ny mpanao politika kilalao ve io resaka fampihavanana io ka ry zareo no manao vazaha mody miady ka ny vahoaka na ny foko no ampiadiany fa ry zareo any ambadika any miara-misakafo ihany ? Fanontaniana matetika mipetraka ireo ary taona maro no nandrenesana an'izany.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 17 Jona 2014
Politique.Manandafy Rakotonirina “Efa tena te-hody an-tanindrazana i Marc Ravalomanana”

Be ny fanontaniana manodidina an’ilay resaka pasipaoron’ny filoha Marc Ravalomanana, hoy Atoa Manandafy Rakotonirina filoha nasionalin’ny antoko MFM, ka “tiako ny mitondra fanazavana manokana etoana fa araka ny resaka nivantana ny nifaovanay tamin’ny tompony dia lany andro izy io ka nentina nohavaozina teny amin’ny minisiteran’ny atitany eto Madagasikara fa tsy mety vitan’ny ministera tompon’andraikitra sonia mandrak’ity ny androany”.

Hamaky ny tohiny
FTT