Hifamotoana etsy amin’ny Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary ireo antoko politika miisa 10 sy fikambanana miisa 60 mivondrona amin’ny vovonana mpanohitra, miara-dia amin-dry Lalatiana Ravololomanana.
Hanao fihaonambe mandritra ny roa andro, ny zoma 20 sy sabotsy 21 jona, izy ireo handinika ny raharahan-tokantrano Malagasy dia ny politika, fitantanam-panjakana, fampandrosoana ny firenena, indrindra ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena. Mpizaika miisa 200 avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no hiaraka hikaon-doha ao. Araka ny fanazavan-dRtoa Lalatiana Ravololomanana dia nasain’izy ireo hanatrika ity fihaonambe ity i Andry Rajoelina, Didier Ratsiraka ary ny Pr Zafy Albert. Milaza ho efa nifandinika tamin’ny vondron’ny mpanohitra elatra Tinasoa Freddy koa izy ireo. Hisy mandritra ity fihaonambe ity ny fifidianana izay hitarika ny vondron’ny mpanohitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.