Politique

Manandafy Rakotonirina “Efa tena te-hody an-tanindrazana i Marc Ravalomanana”


  • Talata 17 Jona 2014

Be ny fanontaniana manodidina an’ilay resaka pasipaoron’ny filoha Marc Ravalomanana, hoy Atoa Manandafy Rakotonirina filoha nasionalin’ny antoko MFM, ka “tiako ny mitondra fanazavana manokana etoana fa araka ny resaka nivantana ny nifaovanay tamin’ny tompony dia lany andro izy io ka nentina nohavaozina teny amin’ny minisiteran’ny atitany eto Madagasikara fa tsy mety vitan’ny ministera tompon’andraikitra sonia mandrak’ity ny androany”.

 Izaho mino, hoy ity mpanao politika ity, fa tena voaresaka teo amin’ny dinika manokana nifaovan’izy mirahalahy (Hery Rajaonarimampianina sy Marc Ravalomanana) tany Afrika Atsimo farany teo ny amin’ny fodian’ny sesitany politika indrindra ny filoha teo aloha, saingy mila fandaminana ato anatiny mba tsy hanelingelina ny fitoniana eto amintsika izany ka izay no nivoahan’ilay resaka hoe : “araka ny mahamety azy”. Satria, hoy i Manandafy Rakotonirina, efa tapitra nesorin’ny filoha Rajaonarimampianina avokoa ireo tompon’andraikitra mpitandro ny filaminana nandray anjara tamin’ny fanonganam-panjakana ary sakana ho amin’ny fampodiana ny filoha Marc Ravalomanana dia heveriko fa tsy misy volo manoha-randrana intsony ankehitriny izany fodiana izany fa efa rava ny “NOTAM” sns… Ny amin’ny fisian’ny resaka fanonganam-panjakana mety hifandraika amin’ity resaka ity indray, dia sarintsarina no misy, hoy izy, fa miaramila mitady “prime” mitovy amin’ny mersenera no mitady hanao izany. Matoa ny filoha Marc Ravalomanana naniraka ny mpiaro azy hanadihady mikasika an’ity pasipaorony ity dia sahiko ny manambara, hoy i Manandafy Rakotonirina, fa “efa tena te-hody an-tanindrazana izy matoa manao izany”.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT