Politique

Patrick Raharimanana Nanao vaky bantsilana momba ny fampihavanam-pirenena


  • Alarobia 18 Jona 2014

Tiana hisy marina ve izany fampihavanam-pirenena izany ? Tena miady ve ny Malagasy ka mila hampihavanina ? Ataon'ny mpanao politika kilalao ve io resaka fampihavanana io ka ry zareo no manao vazaha mody miady ka ny vahoaka na ny foko no ampiadiany fa ry zareo any ambadika any miara-misakafo ihany ? Fanontaniana matetika mipetraka ireo ary taona maro no nandrenesana an'izany.

 Mila fitoniana tanteraka ity adihevitra ity, hoy i Patrick Raharimanana satria vao miresaka azy dia misy ny avo vava avy hatrany hoe : mandrehitra adim-poko, ao kosa ny milaza fa efa adihevitra nilaozan'ny toetr’andro izany. Tsara vakiana bantsilana anefa izy ity fa toa afo mololo ka raha vaky mety handoro. Im-piry moa no tsy mahare hoe rehefa Antananarivo no mihetsika dia mihetsika i Madagasikara, rehefa “côtier” ny Filoha dia tokony ho Merina ny Praiminisitra, asio ny fifandanjan-toerana isam-paritra na isam-poko, tsy resaka foko izany intsony fa ny fahaizamanao, aty aminay angaha tsy misy olona manampahaizana fa dia ny avy any aminareo hatrany no tendrena hiasa aty ? Anisan'ny re hatrany izany sy ny maro hafa koa.

Raha te hiroso marina amin'io fiarahamonina mirindra io isika, hoy ny filoha mpanorina ny antoko “Vitatsika io”, sady kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2013 dia tsy maintsy miara-mandinika ny tantara, ny teny, ny fomba sy ny kolontsaina, ny fiarahamonina, ny fampianarana sy ny fampandrosoana. Marina fa teny iray ary mifankahazo resaka isika nefa iaraha-mahita fa ilay lazaina teny malagasy ofisialy na iombonana dia 99,99% dia teny merina. Na ny fomba filaza azy aza moa dia mody ny firafitry ny tany no hilazana azy ny hoe : afovoan-tany sy anindran-tany. Misy aza moa milaza tambony sy tambany. Mailaka ery ny sasany milaza fa tsy ilay olona no ambany fa ilay toerana iva no ilazana fa ambany tanàna, nefa ireo olona ireo ihany no mifampiharahaba hoe : tsarava tompoko, ary raha misy maty dia asitrika ny andriana mba tsy hilazana fa anirotra ny andevo.

Voalaza ary alatsaka antsain'ny maro, hoy izy, ny hoe ny PADESM dia mpamadika sy mpivarotra tanindrazana tamin'ny andron’ny fanafahana an'i Madagasikara teo am-pelatanan'ny Frantsay fa ny Menalamba no tia tanindrazana. Mba tsy hilazana fa ny “côtier” no maro tao amin'ny PADESM ary ny Merina no tao amin'ny Menalamba. Ny tantara dia miovaova arakaraka ny mpanoratra ny tantara izay miankina amin'ny fomba fijeriny sy ny niainany azy raha izy no nampita ny tantara tamin'ny taranany na lovantsofina na an-tsoratra.

Nodiana tsy lazain'ny tantara

Raha tsiahivina tokoa mantsy ny teny malaza nataon'ny mpanjakan'i Merina Andrianampoinimerina hoe : “Ny ranomasina no valamparihiko” dia maro ny milaza fa io no fampihavanana. Nefa raha zohiana ny tantara dia samy nanana ny fanjakany sy ny taniny ireo foko na ireo faritra maro, ka raha ny mpanjaka iray amin'ny foko hafa no milaza fa ataony valamparihiny ny ranomasina dia tiany ho azy irery izany ny fahefana sy ny tany rehetra eto amin'ny Nosy. Ady vakiana amin'ny mpanjaka hafa izany io fa tsy fampihavanana velively.

Tsy atao mahagaga izany ny tantaran'i Barikadimy ao Toamasina, rehefa nanafika ny Betsimisaraka Radama ka resy hatrany dia nangataka fampihavanana, ka nanaiky ny mpanjaka Betsimisaraka ka niroso tamin'ny lanonana fampihavanana arahina fisotroana toaka barika dimy isa, izay raikitra anaran-toerana taty aoriana. Ka rehefa mamo ny miaramila Betsimisaraka dia nivadika tamin'ny fahatokisana ny miaramila Merina ka namoaka fitaovam-piadiana ka nanenjika sy namono ireto miaramila nampisotroana toaka. Hay moa ilay fampihavanana lasa fitaovana amitahana, hany ka matetika mipetraka ny tsy fitokisana an-dramerina ka hilazana azy hoe mpavandy na mpandainga. Maro aza moa ny tany sy toerana fady Merina. Misy rahateo foko na fianakaviana manafatra ny taranany amin’ny tsy hanambadiana Merina. Ity farany koa maro ny mifanafatra hoe : aza manambady mainty na aza manambady tambany na “côtier” na avy amin'ny sisiny.

Nodiana tsy lazain'ny tantara satria Merina no nanoratra sy nahay nanoratra tamin'izany fa na mamo aza ny Betsimisaraka dia nitsangana nanenjika ny miaramilan-dRadama, ary matin'izy ireo mihitsy aza Radama tao Tsangantsaina, izay nahatonga ny Doany nitondra ny anarana satria tao no nananganan-tsaina ho fandresena. Mbola hita ao an-toerana aza moa ny fitaovam-piadiana vaventy (canon) nentin'ny Merina niady tany. Nolazaina fa tsy hita faty Radama fa tsy nolazaina fa resy an'ady. Ka azo an-tsaina izany ny tantaran'ny Tolom-panafahana tamin'ny 1947, ny Merina no te hanjaka tokana talohan'ny fanjanahantany, ny Merina ihany koa no nampiasain'ny Frantsay nanampy azy tamin'ny fitantanam-panjakana satria izy no nahay taratasy izay nampianarin'ny Angilisy azy, izay nitondra ny fivavahana protestanta, ny Frantsay kosa no nitondra ny fivavahana katolika izay niditra tany Fort Dauphin. Izany no mahatonga ny Merina, indrindra fa ireo Andriana ho protestanta ary ny ambany tanàna ho katolika. Hatrany ampiangonana izany, noho ny tantara dia misy io tsy fitoviana io. Ry Ambohitantely avo toerana dia protestanta fa ry Isotry iva toerana dia katolika. Tsy nandehandeha ho azy akory io resaka toeram-ponenana io fa nisy antony ara-miaramila tamin'izany, ny Rovan'i Manjakamiadana no toerana avo indrindra teto Antananarivo ka mahatsinjo lavitra ireo tendrombohitra 12 manodidina, izay nasian’ny Mpanjaka ny vadiny avy moa izany, ka raha vao misy manafika dia mampirehitra afo misy setroka ireo faritra iva ho tazan'ny faritra ambony hiomanany sy hiarovany tena.

Mandeha an-tanatohatra ny fitondrana tamin'izany, ka ny mpanjaka no mipetraka ao anaty Rova avo toerana indrindra, midina manaraka azy eo ny fiangonana protestanta, manaraka eo ambany toerana kokoa ny fitsarana, manaraka azy eo Andafiavaratra ny praiminisitra, manaraka azy eo ny fiagonana anglikanina nentin'ny anglisy, izay vao ny fiangonana katolika katedraly, ary ny hidin'ny manda eo Ambavahadimitafo. Ary ny ety Mahamasina faritra iva dia fikabarian'ny mpanjaka amin'ny ambanilanitra mba tsy hilazana ny hoe ny hova sy ny andevo.

Nazava ny safidy

Ny ety Anjohy dia fitondrana ny mpanjaka miamboho, na koa hoe lalana hitondrana faty. Tsy midina amin'iny izany ny mpanjaka raha mbola velona fa any atsinanana Ambavahadimitafo izy no miditra. Io moa fomba iraisan'ny mpanjaka maro, hoe any amin'ny hidiran'ny masoandro atsinanana no miditra ny mpanjaka, ka nahatonga ilay teny famangina raha misy maty: miakandrefam-baravarana, izany hoe rehefa maty dia avoaka any andrefana ny razana toy ny masoandro mody any andrefana. Ary raha manao zavatra dia ilay misandratr’andro, amin'ny 11 ora maraina raha ampifaliana, fa ny andro mandrorona, na masoandro midina amin'ny telo ora tolak'andro raha hanao zavatra ankaratsiana toy ny fandevenana. Tsy misy manome tso-drano amin'ny iray ora antoandro izany na maty masoandro fa amin'ilay masoandro miposaka amin'ny enina ora maraina hatramin'ny 11 ora ihany. Rehefa tonga moa ny fivavahana kristianina dia nolazaina fa fanompoan-tsampy indray ny mijery andro ary ny kolontsaina tandrefana mijery ny “astrologie” na fijerena ny kintana sy ny “horoscope” no lasa lamaody. Nisy safidy izany teo ny PADESM, hiala amin'ny fanandevozana frantsay ka hiditra amin'ny fanandevozana merina sa hanaiky ny fahaleovantena sarintsariny nomen'ny Frantsay. Nazava ny safidy, naleony niditra tamin'ny fifampiraharahana tamin'ny Frantsay tamin'ny 1958 ka nanomezan'ny Frantsay ny fitondrana an'i Tsiranana fa ny Merina kosa dia nampidirina ho toy ny solombavambahoaka tany Frantsa.

Basy atifi-kavana

Tantara mbola azo hiadian-kevitra ampitoniana avokoa izany, ary ny manamora ny adihevitra dia maro no efa mifanambady sy nifampiteraka ny foko isanisany. Ny hany tena isian'ny fampihavanana dia ny fampandrosoana isaky ny faritra, samy afaka hamaritra ny tena filany, ny fampianarana ao aminy, ny fitrandrahany sy fitantanany ny harenany, fitantanana ny taniny sy ny zavaboary ao aminy, ny teniny, ny fombany. Izany anefa dia atao ao anatin'ny tsy fifanavakavahana, fifampiresahana ary ny fifanajana. “Ialako tsiny mialoha raha misy ny tafintohina fa tenin'olona tia fihavanana ny ahy ka basy atifi-kavana ka aleoko arangaranga, izaho rahateo tsy manana olana manokana ara-poko na firazanana satria dia teraka tany Fenoarivo Atsinanana Toamasina, Betsimisaraka, ny reniko dia Ampanjaka Bobaomby Antakarana Antsiranana, ny raiko Tsimihety Mandritsara Mahajanga, zanaka Governora, izaho lehibe sy nianatra teto Antananarivo, ny vadiko Andriana Merina, ary izaho dia niasa betsaka tany Fianarantsoa sy Toliara. Ka indramiko ny teny Toliara izay hamaranako ny tari-dresaka hoe : ‘Lafa ia trobo, mipolia’”, hoy i Patrick Raharimanana (Vitatsika io) namarana ny fanehoan-keviny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT