Marefo ny fandaminana ny sehatry ny fananantany eto Madagasikara tany aloha ka nahatonga ireo korontana maro samihafa matetika.
Ny maha Malagasy mihitsy mantsy no voakasika rehefa miresaka tany, hoy ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery. Rariny sy hitsiny ary tafiditra ao anatin’ny fametrahana ny tany tan-dalàna ny fametrahana ny politika momba ny fananantany eto amin’ny firenena, hoy ny fanazavany. Nanamafy izy fa tsy niresaka tany na fananantany tamin’ny diany tany ivelany farany teo. Niompana tamin’ny fampahafantarana ny haben’ny velarantanin’i Madagasikara sy ny fampandrosoana ny sehatry ny fambolena hiantsoana mpiara-miombon’antoka vahiny no nifampidinihana tamin’ireo mpandraharaha israelianina, hoy ny tenany. Tokony hatsahatra manomboka hatreo ny fivoizana vaovao tsy marina sy mampiady vahoaka toy ny resaka fananantany izay lalana iray mitondra mankany amin’ny fampandrosoana ny firenena, hoy ny filohan’ny Repoblika Malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.