Mankalaza ny iray volan’ny teny Malagasy isika mandritra ity volana jona ity.
Teny Malagasy izay tenindrazantsika no sady mampiavaka antsika amin’ireo firenena maro hafa any ivelany. Zary adino sy lasa natao an-kilabao anefa izy io noho ny fitsokan’ny rivotry ny fampandrosoana diso tafahoatra ka maro ireo tsy manaja azy intsony. Manoloana izany dia manao antso avo amin’ny isan-tokantrano, ny fitondram-panjakana i Naivo Raholdina filohan’ny FIkambanana MPIanadahy MIanala na ny FIMPIMI mba hampiasa sy hiaina tanteraka ao anatin’ny teny malagasy ho fanomezan-kasina azy. Tsy misy firenena tafita amin’ny fampiasana ny tenin’ny hafa mantsy, hoy ihany ity filohan’ny FIMPIMI ity no sady tsara ihany koa raha volavolaina amin’izany dieny izao ny taranaka amam-para. Ny taona 1991 moa no nankalazaina voalohany teto amintsika ny iray volan’ny teny Malagasy raha tsiahivina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.