• Sabotsy 19 Jolay 2014
Politique.Nihenjana i Ravalomanana “Aoka tsy hifamitaka isika”

Tsy niandry ela fa omaly ihany dia tonga ny valin-kafatra avy any amin’Atoa Marc Ravalomanana momba ilay taratasy hafahafa mahakasika azy. Aoka tsy hifamitaka isika fa tena diso tanteraka ny filazan’ny vondron’olona sasany fa avy aty amiko iny taratasy iny, hoy ity filoha teo aloha ity.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 19 Jolay 2014
Politique.Alain Ramaroson Manohitra ny fitondrana amin’ny heriny rehetra

Niverina indray eo amin’ny sehatra politika ny filohan’ny Masters Atoa Alain Ramaroson rehefa nangina hatramin’ny nanaovana ny fifidianana filoham-pirenena. Omaly no nanambarany fa mijoro ho mpanohitra izao fitondrana tarihan’i Hery Rajaonarimampianina izao izy ary efa nanatitra teny amin’ny minisiteran’ny atitany ny taratasy rehetra mifandraika amin’izany

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 19 Jolay 2014
Politique.Depiote Mahazoasy Freddie Malagasy hiasa any ivelany, tena mila arofanina

Tena mahavariana tokoa, hoy ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy avy any Antsiranana I Mahazoasy Mananjara Freddie Richard, amin’izao vaninandro misy antsika izao dia mbola misy ny resaka fanondranana olona an-tsokosoko any ivelany any ataon’ireo manararaotra ny fahantran’ny Malagasy.

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 19 Jolay 2014
Politique.Depiote Rémi dit Jao Jean Tena demôkraty ny filoha Hery Rajaonarimampianina

Sahiko ny milaza fa tena demôkraty ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, hoy ny depiote Rémi dit Jao Jean filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritanin’i Mahajanga, fa nomeny toerana avokoa ireo ankolafin-kery misy eto amin’ny firenena, eny fa hatramin’ireo....

Hamaky ny tohiny
  • Sabotsy 19 Jolay 2014
Politique.Magro Behoririka Nahatsiaro manokana an’i Mandela

Nampahafantarin’ny mpitari-tolona Zafilahy Stanislasa tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly fa Andron’i Mandela omaly (18 jolay) noho ny vitany tamin’ny fireneny sy izao tontolo izao. Ao amin’ny MAE no ankalazana izany.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 18 Jolay 2014
Politique.Sangy ratsy sa…? Afaka mody Ravalomanana

Afaka mody Atoa Marc Ravalomanana ary omena azy ny pasipaorony. Izay no nambaran’ny taratasy mitondra ny laharana 14/39 -AE/SG/DICOM avy ao amin’ny sampana serasera eo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny omaly 17 jolay

Hamaky ny tohiny
FTT