Politique

Depiote Mahazoasy Freddie Malagasy hiasa any ivelany, tena mila arofanina


  • Sabotsy 19 Jolay 2014

Tena mahavariana tokoa, hoy ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy avy any Antsiranana I Mahazoasy Mananjara Freddie Richard, amin’izao vaninandro misy antsika izao dia mbola misy ny resaka fanondranana olona an-tsokosoko any ivelany any ataon’ireo manararaotra ny fahantran’ny Malagasy.

Tena tafiditra ao anatin’izany ny tena satria anisan’ny toerana hangalana ireo olona ireo ny amin’iny Faritra Avaratra misy anay iny. Ny zava-misy azo resahina aloha izao, hoy ity filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena avy amin’ny Faritanin’Antsiranana ity, dia misy fitarainana maromaro tonga aty aminay ety Tsimbazaza amin’ny fisian’izany fanondranana olona  an-tsokosoko mankany ivelany izany  ka voalaza fa hampandalovina ao amin’ireo Nosy rahavavy akaiky antsika aloha ireo Malagasy ireo vao aondrana any amin’ny firenen-kafa mila azy. Izahay eto amin’ny Antenimieram-pirenena aloha izao dia eo amin’ny dingana famotopotorana ny zava-misy mba hisian’ny vaovao misimisy kokoa  sy ahitana ny tena fahamarinana. Efa misy ihany koa resadresaka hifanaovana amin’ireo minisitra isan-tsokajiny hijerena ny zava-misy marina. Efa nisy Ong hafa maromaro  ihany koa moa, hoy ny depiote Mahazoasy Freddie, nanao tatitra taty aminay nilaza ny fisian’ny olona alefa an-tsokosoko any ivelany. Nomarihany farany fa tsy hoe vaovao akory ity resaka fanondranana olona miainga eto amintsika ity fa efa nanomboka tamin’ny taona 1994 ka niroboroboan’ireny antsoina hoe “agence de placement” ireny, tsy ara-dalàna ny ankamaroany. Tena  ny asa nampanantenaina kosa aloha no novantanin’izay lasa hatrizay saingy rehefa miasa kelikely  dia ampanaovina zavatra hafa tsy mifandraika mihitsy amin’ny nifanarahana fa mihoatra lavitra mihitsy aza. Aminay, hoy ny filoha lefitry ny Antenimiera Mahazoasy Freddie, dia tokony hapetraka tsara ny arofanina amin’itony resaka itony.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT