Politique

Alain Ramaroson Manohitra ny fitondrana amin’ny heriny rehetra


  • Sabotsy 19 Jolay 2014

Niverina indray eo amin’ny sehatra politika ny filohan’ny Masters Atoa Alain Ramaroson rehefa nangina hatramin’ny nanaovana ny fifidianana filoham-pirenena. Omaly no nanambarany fa mijoro ho mpanohitra izao fitondrana tarihan’i Hery Rajaonarimampianina izao izy ary efa nanatitra teny amin’ny minisiteran’ny atitany ny taratasy rehetra mifandraika amin’izany

Nangina aho teo aloha teo fa nandinika fotsiny ny fizotry ny raharaham-pirenena. Hatrany am-boalohany aho no efa nilaza fa tsy vahaolana hamaha ny krizy ny fihazakazahana hanao fifidianana. Tokony hiresaka sy hihavana aloha ny Malagasy. Aminy dia petatoko ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka tamin’ny 2013 iny ary hitarika krizy lavareny eto amin’ny firenena. Notsiahivin’i Alain Ramaroson fa filoham-pirenena telo no notohanany sy nakariny teo amin’ny fitondrana, dia i Zafy Albert, Marc Ravalomanana ary Andry Rajoelina, saingy toa nanadino ny fampanantenana natao tamin’ny propagandy avokoa izay rehetra nahazo fahefana. Ny vahoaka hatrany, raha ny fahitany azy no mijaly sy mitondra faisana. Tsy azo ekena izany ary hiady hatramin’ny farany hiaro ny vahoaka ny tenany. Nokianiny mafy ihany koa ny depiote eny Tsimbazaza satria aminy dia efa tena mivaona tanteraka amin’ny adidiny ny antenimieram-pirenena,ka manjaka ny famadihana palitao sy ny resa-bola. Hentitra i Alain Ramaroson raha nilaza fa tsy maintsy karohana ny fomba rehetra hamerenana amin’i Madagasikara ny fitantanana ireo nosy kely (îles Éparses ) manodidina azy, ary tsy azo ekena mihitsy ny fiaraha-mitantana amin’ny Frantsay. Antsika ireo, efa manaiky ny firenena mikambana sy ny fitsarana iraisam-pirenena dia isika Malagasy izany no manana zo feno hitantana ireto nosy ireto. Tsy hamelantsika raha tsy azontsika ireo. Henjana ihany koa ny fanakianan’i Alain Ramaroson ny fihetsiky ny fanjakana manoloana ireo olon’ny fananan-tany sy ny fibodoan’ny vahiny ny tany eto amintsika. Misy zavatra tsy milamina io, hoy izy ary nandrasana ho rava mihitsy izahay tao amin’ny CST dia indro fa nomena ny Karana ny tany. Toy izany koa ny raharaha boaderozy, nanadihady momba io izahay tao. Efa fantatra ny anaran’ireo olona mpanao ny trafika ary tsy maintsy havoaka ny marina rehetra momba an’io CST, hoy hatrany izy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT