Afaka mody Atoa Marc Ravalomanana ary omena azy ny pasipaorony. Izay no nambaran’ny taratasy mitondra ny laharana 14/39 -AE/SG/DICOM avy ao amin’ny sampana serasera eo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny omaly 17 jolay
. Nisy ny fahitalavitra nihazakazaka avy hatrany namoaka io vaovao io. Haingana dia haingana ihany koa ny fiparitahany tany anaty tambajotran-tserasera tahaka ny facebook. Rehefa nezahana nanontaniana anefa ireo tompon’andraikitra izay tratra antso halina, vantany vao nivoaka ilay vaovao dia mitovy fomba firesaka ary samy nilaza fa tsy mahalala na inona na inona momba izany fodian’Atoa Marc Ravalomanana izany. Raha ny ambaran’ity taratasy ity dia ny minisitry ny raharaham-bahiny, manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaha politika eto Madagasikara no manambara amin’ny fomba ofisialy fa afaka miverina malalaka eto Madagasikara i Marc Ravalomanana. Ny fehezanteny farany ao amin’ilay taratasy dia manambara fa « noraisina izao fanapahan-kevitra izao mba hamerenana amin’ny laoniny ny toe-draharaha politika eto an-toerana ». Tsara homarihana fa tsy misy sonia ity taratasy ity ary samy tsy misy mahalala ny fisiany na ireo mpikambana ao amin’ny governemanta na ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny ankolafy Ravalomanana. Tsiliantsofina no nandrenesana ihany koa omaly fa tena tezitra mafy noho ny fivoahan’ity taratasy ity ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Aminy dia karazana fampisavorovoroana ny saim-bahoaka no tena misy endrika tsipy hoditr’akondro ihany ilay izy. Fehiny, tsy marim-pototra aloha hatreto ny filazana fa homena pasipaoro tampotampoka eo indray ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary afaka mody ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana. Halina ihany dia nanambara ny minisiteran’ny raharaham-bahiny fa sandoka ity taratasy ity ary nisy nipiraty ny adiresy mailaka (e mail) ny minisiteran’ny raharaham-bahiny etsy Anosy. Na izany aza anefa dia mampametra-panontaniana ihany ny tranga tahaka izao. Noforonina ve io taratasy io sa efa tena voasoratra fa niandry sonia sisa, izany hoe taratasy mbola vakiraoka fa miandry ny tena hevitra faran’ny lehibe ? Sa paikady politika indray izao ? Fa na ahoana na ahoana aloha resaka atao dia azo antoka fa tsy maintsy hisy ny fepetra hentitra horaisina momba ireo olona namoaka ity taratasy ity, ary ilana fanadihadiana lalina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.