Politique

Depiote Rémi dit Jao Jean Tena demôkraty ny filoha Hery Rajaonarimampianina


  • Sabotsy 19 Jolay 2014

Sahiko ny milaza fa tena demôkraty ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, hoy ny depiote Rémi dit Jao Jean filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritanin’i Mahajanga, fa nomeny toerana avokoa ireo ankolafin-kery misy eto amin’ny firenena, eny fa hatramin’ireo....

nanohitra azy sy nifaninana taminy teo amin’ny fifidianana toy ny avy amin’ny ankolafy Ravalomanana aza. Raha ny amin’ny fomba fiasany sy ny ekipany kosa no asian-teny, hoy ity depiote avy any Antsohihy ity, dia tsy mirotoroto manao zavatra ry zareo mba hananan-javatra tsara fa tsy hanaotao foana. Raha ny amin’ny tsy mbola fahatongavan’ny volavolan-dalàm-panitsiana ny teti-bolam-pirenena eny Tsimbazaza dia tsy misy azo homena tsiny ny amin’izany, hoy ny depiote Jao Jean, satria mbola nanahirana ny rehetra ny tamin’ilay fifanoloam-pitantanana teo amin’ny birao maharitry ny Antenimiera sy ny raharaha anatiny tety Tsimbazaza ka tsy mahagaga raha nitarazoka ny raharaha rehetra. Fa izay trangan-javatra tena mba mahavariana ny saina, hoy ity filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena ity, dia ny amin’ny nanomezan’ny ACM vahiny ny fisavana olona eny amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato nefa mba manana olona ampy fahaizana amin’izany eto amintsika ary mba manome asa ny Malagasy izany raha ilaina. Eto koa misy an’ireo zandary sy polisy ary “douanier” nanao ny asa hatramin’izay nefa dia nosoloina olona tsy nanao fianianana akory. Mahagaga !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT