Nampahafantarin’ny mpitari-tolona Zafilahy Stanislasa tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly fa Andron’i Mandela omaly (18 jolay) noho ny vitany tamin’ny fireneny sy izao tontolo izao. Ao amin’ny MAE no ankalazana izany.
Nifanandrify tamin’ny vaovao halina, nivoaka dia nolazaina fa piratage avy eo. Fantatry ny vahoaka izany fa ny MAE no mitazona ny pasipaoro ary ny fanjakana tsy te hampody. Voaporofo fa goragora ilay fanjakana matoa misy mahavita piratazy ary izy samy izy ihany no afaka miditra ao fa tsy olon-kafa. Raha tsy marina tokoa iny taratasy iny dia inona no ataon’ny fanjakana ? Ara-dalàna nivoaka avy ao amin’ny MAE mantsy ny taratasy. Sao dia efa taratasy efa tao iny noho ny tery ataon’ny iraisam-pirenena ? Mety tsy Ravalomanana tenany no tena atahorana fa manahy hoe ilay vahoaka efa sahirana, faly amin’ny fiverenan-dRavalomanana ka hametraka azy indray eo amin’ny fitondrana ary mbola marefo hatrany ilay fitondrana. Sarotra ny toeran’ny fitondrana hamerina, sao manenina, tsy hamerina very fihinanana, aleo aza nilaza fa marina iny dia milaza fa hamerina azy izahay fa mbola mandamina, toy izay hilaza hoe tsy marina iny nefa ny vahoaka miandrandra ny fodiany avokoa noho ny fiainana mafy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.