Politique

Nihenjana i Ravalomanana “Aoka tsy hifamitaka isika”


  • Sabotsy 19 Jolay 2014

Tsy niandry ela fa omaly ihany dia tonga ny valin-kafatra avy any amin’Atoa Marc Ravalomanana momba ilay taratasy hafahafa mahakasika azy. Aoka tsy hifamitaka isika fa tena diso tanteraka ny filazan’ny vondron’olona sasany fa avy aty amiko iny taratasy iny, hoy ity filoha teo aloha ity.

Tena manalabaraka ahy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany ary tahaka ny paikady natao fotsiny hanaratsiana endrika ahy sy hampihemorana indray ny fiverenako any Madagasikara. Nampatsiahiviny indray fa efa voasoratra mazava ao anatin’ny tondrozotra ny fahafahany mody an-kalalahana tsy misy teritery eto Madagasikara. Mahagaga ahy anefa fa na ny filoha vaovao voafidy any Madagasikara na ny SADC dia samy tsy mihetsika amin’ny fanatanterahana izany, ary tsy nisy mihitsy ny zavatra niova fa dia mbola mihitsoka aty Afrika Atsimo aty aho hatramin’izao. Raha araka ny fanazavany hatrany dia efa tena te hody mafy eto Madagasikara izy, tonga handamina sy hitondra ny fahaizany ho fampandrosoana ny firenena fa tsy hanakorontana na hampisavorovoro ny saim-bahoaka. Miantso ny fitondram-panjakana Malagasy sy ny SADC ary ny sehatra iraisam-pirenena mba hanafaingana ny fahafahany mody an-tanindrazana i Dada ary manamafy fa hitondra filaminana sy fitoniana ny fahatongavany eto. Nisy tokoa nanomboka omaly ny serasera noezahana naparitaka fa Atoa Ravalomanana sy ireo mpomba azy ihany no namoaka ilay taratasy hosoka omaly ary tetsy ankilan’izay dia niala bala sy nanadio tena tanteraka ny ministeran’ny raharaham-bahiny malagasy.Mazava ny resaka izany izao fa tsy misy ifandraisany amin’i Marc Ravalomanana na ny ankolafy Ravalomanana na ireo mpiara-dia aminy ity taratasy hosoka ity, fa mety paikady fotsiny ihany hanakorontanana indray ny fifandaminana efa nifanarahana amin’ny fodian’ity filoha teo aloha ity. Ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina dia tsy nanafina fa nampiseho mazava mihitsy hoe : tsy mety amin’i Marc Ravalomanana ny mody eto Madagasikara fa aleo izy hijanona any Afrika any. Nanaboribory resaka ny praiminisitra teo aloha Omer Beriziky nilaza fa tsy mbola feno ny fepetra hahafahan-dRavalomanana mody ka aleo alamina tsara aloha ny toe-draharaha. Be filaza ny filoha Rajaonarimampianina fa tsy misy ny olana fa afaka mody ingahy Ravalomanana fa fandaminana sisa atao  ; ny praiminisitra Kolo Roger indray manamafy fa tsy mbola laharam-pahamehana izany fodiana izany. Manizingizina ny minisitry ny raharaham-bahiny fa tsy misy olona ambonin’ny lalàna. Nanamafy ny minisitry ny fitsarana fa mbola manan-kery ny didim-pitsarana rehetra mahakasika ity filoha teo aloha ity. Ka tsy efa midika ho fampiesonana ihany ve izany fa ny fomba ilazana azy fotsiny no novaina kely e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT