• Talata 23 Septambra 2014
Politique.Andritsirebaka (Ben Laden Gasy) Mahatsiaro voafitaky ny fitondrana HVM ny vahoaka

Fahadisoam-panantenana miteraka hakiviana manoloana ny fahasahiranana misy. Ireo no ambetin-dresak'ireo vahoaka any amin'ny distrikan'i Tolagnaro isan'andro ary miompana amin'ny fitondrana mivaralila ankehitriny, hoy Andriatsirebaky fantatry ny maro ny amin’ny solon’anarana hoe Ben Laden Gasy' mpitarika ny Fikambanana Famizo (Faradofay Mitaky ny Zony).

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 19 Septambra 2014
Politique.Hery Rajaonarimampianina Handray baiko any Frantsa indray ?

Efa nandao an’i Madagasikara omaly alakamisy alina ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny delegasionina notarihany ary hihaona amin’ny filoha Frantsay François Hollande ao amin’ny lapan’i Elysée anio antoandro, mialoha ny handehanany any New York Etazonia hiatrika ny fivoriambe faha-69-n’ny firenena mikambana. Anatin’ny fandaharam-potoana ny fihaonana manokana eo amin’ny filoha roa tonta izay tsy azon’iza n’iza atrehana, avy eo dia hisy ny fivoriana iarahan’ny delegasionin’ny an-daniny sy ny an-kilany.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 19 Septambra 2014
Politique.Me RASAMIMAKA MAHEFALAHY MIEBOEBO NY MPITONDRA KA MITROATRA NY VAHOAKA… »

Raha nangina niezaka ny tsy hiteny ny Me Rasamimaka Mahefalahy mpitarika ny « Zanak’i Dada » Toamasina tao ho ao izany dia tsy afaka ny hangina kosa izy noho ny zava-misy iainan’ny firenena sy ny vahoaka malagasy ankehitriny, izay mahatonga fitakiana sendikaly sy fikambanana nitranga tato ho ato ary mbola hitranga raha tsy misy ny fijerena sy fihainona ny vahoaka. Nisy ny resaka nifanaovana taminy.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 19 Septambra 2014
Politique.Magro Behoririka Mody Ravalomanana vao milamina ny tany

Lavitra ny lalana nodiavin’ny tolona, hoy i Guy Roger tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly, mbola maro no tsy tanteraka nefa tsy isika irery no mitaky fa ny iraisam-pirenena ihany koa ary na miseho dadany aza ny fitondrana, Ravalomanana mody vao milamina ny tany.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 18 Septambra 2014
Politique.Martin Rakotozafy Tsy tokony hiakatra ny vidin-tsolika

Midina ny fanjifan-tsolika any Sina vokatry ny politika anatin’ity firenena ity. Misy akony goavana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena io fihenan’ny fanjifan-tsolika sinoa io, araka ny fanazavan’ny filohan’ny «Groupement professionnel des gérants libres des stations-services» Rakotozafy Martin.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 18 Septambra 2014
Politique.Fanajana lalàna Fanoitra ho an’ny fampandrosoana

Tena ilain’ny mponina amin’ny firenena isanisany ny fananana ireo lalàna marobe mandrafitra ny fiarahamonina. Voalohany amin’izany ny Lalàmpanorenana izay andry iray lehibe iorenan’ny firenena tahaka an’i Madagasikara. Ao koa ireo lalàna isan-karazany natao hifehy ireo rafitra na fikambanana sy ny mpiara-belona amin’ny ankapobeny.

Hamaky ny tohiny
FTT