Politique

Hery Rajaonarimampianina Handray baiko any Frantsa indray ?


  • Zoma 19 Septambra 2014

Efa nandao an’i Madagasikara omaly alakamisy alina ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny delegasionina notarihany ary hihaona amin’ny filoha Frantsay François Hollande ao amin’ny lapan’i Elysée anio antoandro, mialoha ny handehanany any New York Etazonia hiatrika ny fivoriambe faha-69-n’ny firenena mikambana. Anatin’ny fandaharam-potoana ny fihaonana manokana eo amin’ny filoha roa tonta izay tsy azon’iza n’iza atrehana, avy eo dia hisy ny fivoriana iarahan’ny delegasionin’ny an-daniny sy ny an-kilany.

 Miandry baiko ?

Miara-dia amin’ny filoha amin’izao fivoahany any ivelany izao ny minisi-panjakana misahana ny fanajariana ny tany Rivo Rakotovao, ny minisitry ny raharaham-bahiny Arisoa Razafitrimo, ny minisitry ny fitaterana Ulrich Andriantina ary mpandraharaha sy lehibena orinasa maromaro. Roa andro ny fitsidihana ofisialy any Frantsa ka hahitana fihaonana ara-politika sy ara-toekarena. Hihaona amin’ireo tompon’andraikitry ny Airbus sy ATR izay samy manamboatra fiaramanidina ny delegasionina malagasy. Maro no mihevitra fa misy antony goavana ity fihaonana any Paris ity ary matoa niantso ny filoha Malagasy ho any aminy ny filoha Frantsay dia …ao raha ! Efa fomba nahazatra nandritra ny fitondrana tetezamita ny fandehan’ny mpitondra isaky ny mihetsika any Frantsa mba haka toromarika, izao dia toa mbola manao izany ihany koa ilay milaza fa filoha voafidim-bahoaka, handray baiko, haka toromarika any amin’i Lafrantsa.

Ambany ziogan’i Frantsa

Tahaka ny fitondrana tetezamita dia mbola ao ambany ziogan’i Lafrantsa ity fitondran’ny repoblika faha-4 ity. Mijoro ho mpiahy an’i Madagasikara manoloana ny vondrona eoropeanina mantsy i Frantsa ka rehefa izy no miteny hoe omeo vola i Madagasikara dia mivoaka ny vola. Misy dikany ilay tenin’ny masoivoho vaovaon’ny vondrona eoropeanina eto amintsika ny alarobia lasa teo teny Iavoloha, hoy izy. « Efa tena misy vola vonona omena an’i Madagasikara mihitsy amin’ity taona ity, saingy mbola mila fandaminana kely aloha vao mivoaka ilay izy ». Inona io hoe : « fandaminana kely » io ? Fandaminana teknika ve sa fandaminana politika ? Maro no mihevitra fa hisy ny zavatra hiova aorian’ity dian’ny filoha any ivelany ity ary mety ho avy amin’izay ny fanovana mpikambana ao amin’ny governemanta. Inoana fa hiditra lalina amin’ny resaka toekarena eto amintsika koa i Frantsa ka izay no anton’ny fihaonana amin’ny MEDEF na ny vondron’ny orinasa any Frantsa anio zoma ihany. Azo antoka fa tsy hanaiky holembenana i Frantsa ary tsy maintsy hiaro ny tombontsoany eto Madagasikara no sady hametraka ny olony anatin’ny rafi-pitondrana rehetra eto. Ny sabotsy izao no handao an’i Frantsa ka hihazo an’i New-York etazonia ka hanatrika ny fivoriambe faha-69-n’ny firenena mikambana ny filoha Rajaonarimampianina ka hijanona any hatramin’ny 25 septambra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT