Politique

Fanajana lalŕna Fanoitra ho an’ny fampandrosoana


  • Alakamisy 18 Septambra 2014

Tena ilain’ny mponina amin’ny firenena isanisany ny fananana ireo lalŕna marobe mandrafitra ny fiarahamonina. Voalohany amin’izany ny Lalŕmpanorenana izay andry iray lehibe iorenan’ny firenena tahaka an’i Madagasikara. Ao koa ireo lalŕna isan-karazany natao hifehy ireo rafitra na fikambanana sy ny mpiara-belona amin’ny ankapobeny.

 Azo ambara fa mampiavaka an’i Madagasikara anefa ny tsy fananana hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantenany ireo lalàna tena mifototra sy miainga amin’ny tena fisainana Malagasy. Nanjaka sy nisongadina hatrany ny fakan-tahaka be fahatany ireo lalàna vahiny avy amin’ilay firenena nanjanaka antsika fahizay. Hita hatramin’izao io trangan-javatra io manomboka any amin’ny Lalàna Fototra Malagasy ka hatrany amin’ireo lalàna mifehy ireo sehatra maro eto amin’ny firenena. Manahirana ny sain’ny besinimaro koa ny fanomezan-danja be loatra ny fiteny frantsay amin’ny fandrafetana azy ireo manoloana ny fitenin-drazantsika. Tsy misaraka amin’ny lalàna velona ihany koa ny fampiharana sazy ho an’ireo izay minia na tratra mandika izany saingy toa rano natondraka avy ao an-damosin’ny gana daholo hatreto ny ezaka rehetra izay natao. Azo sokajiana ho tsy mpanaja lalàna isika malagasy, indrindra ireo solontenam-bahoaka manampahefana eto Madagasikara izay noeritreretina ho modely fakan-tahaka. Tsy mahagaga noho ireo antony ireo raha tsy mandroso ny vahoaka Malagasy satria fanoitra iray mitondra mankany amin’ny fandrosoana ny fanajana ireo lalàna velona.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT