Politique

Martin Rakotozafy Tsy tokony hiakatra ny vidin-tsolika


  • Alakamisy 18 Septambra 2014

Midina ny fanjifan-tsolika any Sina vokatry ny politika anatin’ity firenena ity. Misy akony goavana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena io fihenan’ny fanjifan-tsolika sinoa io, araka ny fanazavan’ny filohan’ny «Groupement professionnel des gérants libres des stations-services» Rakotozafy Martin.

 Mampitombo ny tolotra eo anivon’ny tsena izany trangan-javatra izany izay mitarika avy hatrany ny fidinan’ny vidin-tsolika. Tokony hisy fiantraikany ho an’ireo mpanjifa marobe eto Madagasikara izay an-dalana amin’ny fampiharana ny vidin-dasantsy tena izy ihany koa izany. Nanamarika kosa ity filohan’ny GPGLSS ity fa aorian’ny 2 volana izay fe-potoana faharetan’ny fanafarana vao hita mazava ny momba azy io. Tsy nisalasala ny tenany nilaza fa tsy tokony hiakatra ny vidin-tsolika. Fepetra mila jerena miaraka amin’ny fanjakana kosa anefa ny momba ireo trosa sy fanampiana tsy mbola voaloa. Fanamarihana faharoa nentiny ihany koa ny fivoahan’ny lalàna iraisam-pirenena tamin’ity volana septambra 2014 ity mikasika ny tsy maintsy hampihenana ny tahan’ny «souffre» ampiasaina amin’ny solika. Antony nahatonga ireo kaompania roa nanampoka «additif» hanatsarana kalitao sy ho fitaizana motera vaovao izay tsy dia mifanaraka loatra amin’ny fiara efa niasa betsaka eto amintsika. Soso-keviny moa ny fampidirana vokatra tsara eto amin’ny firenena izay miankina amin’ny fananantsika vola sy ny toekarena amin’ny ankapobeny.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT