Raha nangina niezaka ny tsy hiteny ny Me Rasamimaka Mahefalahy mpitarika ny « Zanak’i Dada » Toamasina tao ho ao izany dia tsy afaka ny hangina kosa izy noho ny zava-misy iainan’ny firenena sy ny vahoaka malagasy ankehitriny, izay mahatonga fitakiana sendikaly sy fikambanana nitranga tato ho ato ary mbola hitranga raha tsy misy ny fijerena sy fihainona ny vahoaka. Nisy ny resaka nifanaovana taminy.
Tia Tanindrazana (TT) : Me Rasamimaka Mahefalahy, inona no azonao lazaina mikasika izao fitakiana sy fisavoritahana ary fisamborana lava misy izao ?
Me Rasamimaka Mahefalahy (Me Mahefa) : voan’ny resa-be nataony tamin’ny fampielezan-kevitra ny mpitondra izao, isika anefa vao niala krizy izay nanapotika ny firenena noho ny fitsoahan’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombona antoka ary fahapotehan’ny sosialim-bahoaka sy ara-toekarena ary ara-politika izay nampihemotra antsika any amin’ny 20 taona lasa. Vokatr’io resa-be natao io dia tsy afaka mihaino vahoaka sy mijery ny tena zava-misy marina intsony ny mpitondra fa toa lasa mieboebo fotsiny ka rariny raha mitroatra ny vahoaka amin’ny alalan’ireo sendika sy fikambanana maro, mitaky ny toky nataon’ny mpitondra taminy. Vokany, adino ny nametraka fiaingana vaovao hamaritana ny lalan-kizorana hahatongavana amin’ny tanjon’ny fampandrosoana nampanantenaina ny malagasy. Mila finiavana politika sy miverina mijery ifotony ny malagasy ary mametraka fe-potoana ny zava-misy, satria hain’ny vahoaka ny zava-misy nateraky ny krizy fa miandry ny finiavana avy amin’ny mpitondra izy ireo amin’ny famahana izany sy hitondra fampandrosoana ho azy…
TT : mety ho inona ary ny ho vokatr’izao raha tsy mety mipetraka io fifampitokisana ny vahoaka sy ny mpitondra, sy io tsy fisian’ny finiavana mivaingana andrasan’ny vahoaka io ?
Me Mahefa : ny fitroarana hahatonga fanonganam-panjakana aloha tsy ho sahan’ny Malagasy intsony, noho izy fay ka nahatonga ny fiainany ho toy izao, fa mihari-pery izy ka ny fiantsoana ny tody sy ny tsiny ary manankina ny fiainany amin’Andriamanitra sisa no azony atao. Ny mahagaga anefa dia matahotra io fanonganam-panjakana io ny mpitondra ka lasa manaotao foana amin’ny fampiasan-kery ireo izay miteny sy mijoro amin’ny fitiavany ny tanindrazany sy fiarovany ny tombontsoany izay mila ho very. Mila tsapan’ny mpitondra izany fa tsy ho variana manaporitra fotsiny satria ny hatahorana dia tsy ny vahoaka hidina an-dalambe intsony noho ny fahantrany sy ny fahoriany, fa vahoaka tsy hiasa sy halaina ka hikatso ao anatin’izany ny fampandrosoana tiana atao eto, ary vahoaka hifamono vokatra io fahantrana lalina mianjady aminy io, izay efa hita taratra izany amin’izao firongatry ny tsy filaminana izao…
TT : inona ary ny soso-kevitra atolotrao ny mpitondra hanarenana ny tsy mety misy ankehitriny izao ?
Me Mahefa : Be lolom-po loatra ny mpitondra ka mikatso ny politika tokony hampandrosoana ny fiarahamonina. Be ahiahy loatra ny mpitondra ka variana mamaha olana sy miaro seza ny tan-dapa ka tsy mieritreritra ny fampandrosoana intsony. Olom-boaantso ny mpitondra ka mila mihaino ihany ny feom-bahoaka feon’Andriamanitra. Tsy fampihavanam-pirenena izany no tokony hatao eto amintsika, fa “raharaham-pihavanana” satria io fomba fisainana sy finiavana lalina io no nahatonga ireo firenen-dehibe nisy olana sy ady ary disadisa ara-politika rehetra lasa lavitra ara-pampandrosoana ankehitriny anisan’ireny ny afrika atsimo, ny Sinoa, ary ny Eoropeanina izay tena rotiky ny ady in-droa noho ny nataon’ny Nazi. Tsy tokony hatao teny filamatra hampandriana adrisa ny resa-pihavanana, fa raha tena atao dia mila miresaka an-kitsim-po sy malalaka ary ara-piniavan’ny tsirairay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.