Politique

Andritsirebaka (Ben Laden Gasy) Mahatsiaro voafitaky ny fitondrana HVM ny vahoaka


  • Talata 23 Septambra 2014

Fahadisoam-panantenana miteraka hakiviana manoloana ny fahasahiranana misy. Ireo no ambetin-dresak'ireo vahoaka any amin'ny distrikan'i Tolagnaro isan'andro ary miompana amin'ny fitondrana mivaralila ankehitriny, hoy Andriatsirebaky fantatry ny maro ny amin’ny solon’anarana hoe Ben Laden Gasy' mpitarika ny Fikambanana Famizo (Faradofay Mitaky ny Zony).

Amin'ireo naneho ny heviny any amin'ireo kartie, tsy araka ny resaka sy ny kabary tamin'ny fampielezan-kevitra no iainana. Ny asan-dahalo mbola mihamafy, ny asan-jiolahy omaly tsy miova, ny afera boaderozy tsy misy fanafodiny, ny fanondranana jamala, jerem-potsiny. Na tera-bary aza ny hevitra, iompanan'ny lahadinika ombieny ny kobaka be loatra ataon’ ity fitondrana HVM ity. Ny lainga be nafafy ho amin ny fandraisana ireo mpampianatra FRAM ho mpiasam-panjakana. Ny ho fampidirana an-tsekoly maimaimpoana ireo mpianatra any amin'ny EPP. (Ireo tale-tsekoly mbola mitango 15 000 Ar isan-jaza. Ireo tale, tsy mandray mpianatra raha tsy mandoa saram-pisoratana anarana. Misy amin'ireo tale ireo no ratsy vava amin’ireo ray aman-dreny mampiana-jaza. Na nisy aza ny fahasahiranana nandritra ny fitondrana FAT, vao mainka nitombo avo roa na telo heny ny fijaliana amin izao lazaina fa fitondrana ara-dalàna izao, hoy hatrany  i Ben Laden Gasy'. Tokony hieritreritra ary haneho firaisankina ireo mitonona ho tia tanindrazana hoy izy namarana ny fanehoan-keviny.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT