• Alakamisy 16 Oktobra 2014
Politique.Marc Ravalomanana Misy mikasa hifofo ny ainy ?

Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena. Raha nilaza ho ren-tany ho ren-danitra ny filoha Ravalomanana tamin’ny fahatongavany ny alatsinainy teo, fa hitondra filaminana sy fampandrosoana izy fa tsy hanakorontana, dia misy tsy maty voalavo an-kibo, mikotrika teti-dratsy hanilihana azy.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 16 Oktobra 2014
Politique.Fikambanan’ny Maherifon’ny firenena Mitaky ny hamotsorana tsy misy fepetra ny filoha Marc Ravalomanana

Taorian’ny fisamborana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny alatsinainy 13 oktobra teo teny amin’ny trano fonenany teny Faravohitra dia nanao tohivakana ny fanambarana fanoherana ny fihetsika nataon’ireo mpitandro ny filaminana ary fanohanana an’ity filoha teo aloha ity

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 16 Oktobra 2014
Politique.Tahina Razafinjoelina Vahinin’ny fandaharana Salangalanga ao amin’ny RTA anio alina

Mihazakazaka ny raharaham-pirenena, misesy sy mifandimby ny fanehoan-kevitra etsy sy eroa satria vanim-potoana hafa kely sy manana ny maha izy azy izao iainan’ny firenena izao. Hiaka-tsehatra haneho ny fomba fijeriny ny zava-misy eto Madagasikara, ny raharaha politika, toekarena ary sosialy anio alina manomboka amin’ny 8 ora sy sasany ao amin’ny fahitalavitra RTA mandritra ny fandaharana Salangalanga Atoa Razafinjoelina Tahina, filoha mpitarika ny antoko Tia Tanindrazana, izay manomboka miseho sehatra tsikelikely tato ho ato izay

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 16 Oktobra 2014
Politique.Kolo Roger Nidodododo vao maraina teny Faravohitra

24 ora taorian’ny fanambarana nataon’ny vady aman-janaky ny filoha Ravalomanana ka nitakian’izy ireo ny hanambaran’ny fanjakana fa salama ary tsy misy ahiana ny ain’i Dada ary koa mitaky fihaonana haingana amin’i Hery Rajaonarimampianina i Neny Lalao Ravalomanana dia ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Atoa Kolo Roger, mihitsy no nihazakazaka nanatona teny an-trano fonenan’ny filoha Marc Ravalomanana eny Faravohitra

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 16 Oktobra 2014
Politique.Magro Behoririka Mifandimby ny fanakianana sy fampihavanana

Mbola mafampana tanteraka ny etsy amin’ny kianjan’i Magro Behoririka hatramin’ny nisamborana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin’ny alatsinainy lasa teo ka mihamaro hatrany ny vahoaka mpitolona tonga eny an-toerana ankehitriny

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 15 Oktobra 2014
Politique.Marc Ravalomanana Natoka-monina any Antsiranana

Raha ny vaovao farany voaray omaly talata alina dia napetraka amina toerana manokana tsara ambina any Antsiranana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. « La Résidence » no hahafantaran’ny rehetra ity toerana ity , izay fonenan’ny governora teo aloha ary ao anatin’ny faritry ny tanin’ny miaramila any an-toerana.

Hamaky ny tohiny
FTT