Politique

Marc Ravalomanana Misy mikasa hifofo ny ainy ?


  • Alakamisy 16 Oktobra 2014

Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena. Raha nilaza ho ren-tany ho ren-danitra ny filoha Ravalomanana tamin’ny fahatongavany ny alatsinainy teo, fa hitondra filaminana sy fampandrosoana izy fa tsy hanakorontana, dia misy tsy maty voalavo an-kibo, mikotrika teti-dratsy hanilihana azy.

Ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Kolo Roger, mihitsy no nampahafantatra tamin’ny fanambarana nataony ny talata alina teo fa “nahazo vaovao marim-pototra izy ireo fa misy fikasana hifofo ny ain’Atoa Marc Ravalomanana sy hanakorontana ny firenena, ka izay no nandraisan’ny fitondram-panjakana andraikitra hamindra toerana azy ho fiarovana ny ainy sy ho fitandrovana ny filaminam-bahoaka”. Loharanom-baovao samihafa no andrenesana fa ireo sivily sy miaramila lohandohan’ny mpisorona tamin’ny fanonganam-panjakana niseho tamin’ny 2009 no mikononkonona io fifofoana ny ain’ny filoha Ravalomanana io ary tohanana vondrona Karana ara-bola sy fitaovana. Efa nanomana andian’olona hampiankajoana akanjo misy sarin’i Dada izy ireo, hihogahoga eran’ny tanàna teto an-drenivohitra sy hanimba zavatra, mba handotoana ny ankolafy Ravalomanana ho mpanakorontana. Tao ambadiky ny fametrahana sakana sy fandoroana kodiarana teny Anosy nandritra ny nitazonana ny filoha Ravalomanana tao amin’ny Toby Ratsimandrava ny harivan’ny Alatsinainy 13 oktobra teo ny sasany tamin’izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT