Politique

Tahina Razafinjoelina Vahinin’ny fandaharana Salangalanga ao amin’ny RTA anio alina


  • Alakamisy 16 Oktobra 2014

Mihazakazaka ny raharaham-pirenena, misesy sy mifandimby ny fanehoan-kevitra etsy sy eroa satria vanim-potoana hafa kely sy manana ny maha izy azy izao iainan’ny firenena izao. Hiaka-tsehatra haneho ny fomba fijeriny ny zava-misy eto Madagasikara, ny raharaha politika, toekarena ary sosialy anio alina manomboka amin’ny 8 ora sy sasany ao amin’ny fahitalavitra RTA mandritra ny fandaharana Salangalanga Atoa Razafinjoelina Tahina, filoha mpitarika ny antoko Tia Tanindrazana, izay manomboka miseho sehatra tsikelikely tato ho ato izay

Hevitra mahasoa ny firenena, natao hamahana olana fa tsy sanatria hampiady ny samy malagasy no voizin’ny antoko Tia Tanindrazana izay manasongadina mazava kosa anefa ny maha zava-dehibe ny fiandrianam-pirenena sy ny tokony hahatsapan’ny Magasy tsirairay avy fa miainga avy aminy ny fampandrosoana ny firenena tsy iandrasana ny fanampiana  avy any ivelany foana. Tsara homarihana fa anisan’ireo Malagasy manampahaizana manokana momba ny informatika i Tahiana Razafinjoelina, mpianatra teny amin’ny MISA –Oniversiten’Antananarivo, avy eo nanohy ny fianarany tany amin’ny oniversiten’i Nice ka nahazo ny maripahaizana Master 2, Base de données et Intégration de Système. Efa tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola ary ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ihany koa izy ary tale jeneralin’ny vondron’orinasa Vidy Varotra ankehitriny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT