24 ora taorian’ny fanambarana nataon’ny vady aman-janaky ny filoha Ravalomanana ka nitakian’izy ireo ny hanambaran’ny fanjakana fa salama ary tsy misy ahiana ny ain’i Dada ary koa mitaky fihaonana haingana amin’i Hery Rajaonarimampianina i Neny Lalao Ravalomanana dia ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Atoa Kolo Roger, mihitsy no nihazakazaka nanatona teny an-trano fonenan’ny filoha Marc Ravalomanana eny Faravohitra
Omaly, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany maraina, izy no tonga teny, ary nihaona sy nifampidinika mivantana tamin-dRtoa Lalao Ravalomanana sy Tojo Ravalomanana ary ny mpisolovava azy ireo. Fihaonana izay tsy azon’iza n’iza natrehina. Tsy nisy nipika ny dinika. Azo inoana anefa fa tonga nanome antoka i Kolo Roger, nanamafy ny efa nolazainy tamin’ny fanambarana ny talata alina miantefa amin’ny fianakavian’ny filoha Ravalomanana sy ny vahoaka Malagasy milaza fa “napetraka amin’ny toerana sahaza azy izy (Marc Ravalomanana), salama tsara ary misy mpitsabo manaraka azy any”. Mety tamin’io fotoana io ihany koa no nampahafantaran’ny fanjakana ny fianakaviana ny toerana marina nametrahany ny filoha Marc Ravalomanana sy ny fahafahan’ny fianakaviana mitsidika azy. Taorian’io fihaonana io mantsy dia fantatra fa saika hihazo an’Antsiranana ny delegasiona nahitana olona miisa valo, notarihin-dRtoa Lalao Ravalomanana saingy noho ny antony teknika dia tsy nisidina ny fiaramanidina manokana, niantohan’ny governemanta tokony hitondra azy ireo, fa nahemotra ho amin’izao maraina izao ny fiaingana. Ny lôjikan’izao trangan-javatra izao dia mitory fa misy ny fifanatonana ary azo itarafana ihany koa fa mandroso ny dinika hamahana ny olana, ka niantsoan’i Kolo Roger ny rehetra ho tony. Ny amiraly Ratsiraka ihany koa dia nitaona ny rehetra handray amin’ny lafiny tsara ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana eto Madagasikara, ka hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena marina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.