Mbola mafampana tanteraka ny etsy amin’ny kianjan’i Magro Behoririka hatramin’ny nisamborana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin’ny alatsinainy lasa teo ka mihamaro hatrany ny vahoaka mpitolona tonga eny an-toerana ankehitriny
. Efa tsinjon’ny fitondram-panjakana izany ka atahoran-dry zareo mafy ny mety hivoahan’ny vahoaka ivelan’ity kianja ity ka mbola nohamafisin-dry zareo koa ny isan’ny fiara sy miaramilan’ny Emmoreg mirongo fitaovam-piadiana mitoby eny amin’ny manodidina an’ity toerana ity. Mazava loatra fa mafampana ny kabary samihafa fifanentanana mitaky ny famoahana tsy misy hatak’andro ny filoha Marc Ravalomanana sy famerenana azy tsy misy fepetra eny amin’ny trano fonenany eny Faravohitra. Havanana amin’izany, ohatra, ny mpitari-tolona Manoela sy Feno ary Ignace Moramanga. Etsy an-kilany kosa anefa dia dimbiasan’ny kabary mitory fandrindram-pihavanana sy firosoana amin’ny fampihavanam-pirenena tena izy izany, toy izay nifandrimbonan’i Mamisoa avy any Ambatolampy sy ny depiote Horace avy etsy amin’ny boriborintany faha-VI Antananarivo omaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.