Politique

Marc Ravalomanana Natoka-monina any Antsiranana


  • Alarobia 15 Oktobra 2014

Raha ny vaovao farany voaray omaly talata alina dia napetraka amina toerana manokana tsara ambina any Antsiranana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. « La Résidence » no hahafantaran’ny rehetra ity toerana ity , izay fonenan’ny governora teo aloha ary ao anatin’ny faritry ny tanin’ny miaramila any an-toerana.

Nitety faritra 5, salama tsara

Omaly hariva no tonga tao amin’ny seranam-piaramanidin’Antsiranana ny elikoptera nitondra an’i Marc Ravalomanana, fiara Mercedes miloko fotsy avy eo no nitondra azy nizotra nankany amin’ny « La Résidence » teo amin’ny manodidina ny tamin’ny 7 ora hariva mahery kely teo. Mialoha io dia efa lavidavitra ihany ny faritra nolalovan’ity filoha teo aloha ity satria niainga teto Antananarivo izy ny alatsinainy, dia nandeha tamin’ny alalan’ny fiarakodia tamin’ny lalampirenena faha-4, nijanona kely nisakafo teny Manerinerina. Natory tao Maevatanana ny alatsinainy alina, avy eo nandeha fiaramanidina nihazo an’i Mahajanga. Nisy ny olona nahatazana azy teny amin’ny seranam-piaramanidina Amborovy, omaly tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro, ary voalazan’ireo olona ire fa salama tsara ity filoha teo aloha ity saingy tsy mbola nisolo akanjo. Taorian’izay dia fantatra fa nihazo an’Antsohihy indray ny elikoptera, ary tonga tany Antsiranana omaly hariva. Faritra  5 dia Analamanga, Betsiboka, Boeny Sofia ary DIANA izany no notetezin’i Marc Ravalomanana tato anatin’ny 24 ora, noho ity an-kiafina natao amin’ny famindran-toerana azy isaky ny mihetsika ity.

Manamboninahitra no manadihady…

Fantatra ihany koa fa nisy ny fiaramanidina manokana nigadona tao Antsiranana omaly tolakandro nitondra manamboninahitra jeneraly maromaro avy aty Antananarivo, izay manana andraikitra ambony eto amin’ny firenena. Misy ifandraisany amin’ny raharaha Marc Ravalomanana izany rehetra izany satria raha araka ny tsiliantsofina re dia nihaona tamin’ity filoha teo aloha ity  ireto manamboninahitra jeneraly ireto nanohy ny fanadihadiana efa natomboka teny amin’ny Toby Ratsimandrava. Fanontaniana niverimberina, raha ny fantatra ny hoe : oviana ianao no tonga teto Madagasikara ary tamin’ny fomba ahoana ? Iza no nanampy anao ? Izay aloha ny zava-misy omaly, tsy fantatra indray izay mety hitranga anio. Ny azo antoka kosa anefa dia tsy afaka ny handefa an’i Marc Ravalomanana any ivelany intsony ny fitondram-panjakana. I Afrika Atsimo, ohatra, dia efa nandà ny hampiantrano azy ary azo antoka fa tsy azo atao ny hitazonana azy ela noho ny fampiharana mangarahara takian’ny rehetra na ny eto an-toerana io na ny sehatra iraisam-pirenena. Efa tena ratsy endrika ny fitondrana Rajaonarimampianina noho ny fisamborana tamin-kery nataony teny Faravohitra, tsy mbola tara anefa izao hanitsiana ny tsy mety sy hanohizana ny fifampiresahana satria na ahoana na ahoana  dia tsy maintsy ny fifampiresahana ihany no hamahana ny olana. Efa mazava kosa anefa izao fa latsaka ambany dia ambany ny fankasitrahan’ny olona ny fitondrana fa tafakatra ambony dia ambony kosa ny fitiavan’ny olona an’i Marc Ravalomanana, izay efa misy mampitaha sahady amin’i Nelson Mandela, noho ny fitiavany ny tanindrazany sy ny fahasahiany ary ny fahendreny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT