• Alakamisy 13 Novambra 2014
Politique.Marc Ravalomanana Nogadraina noho ny fitiavan-tanindrazana

Iray volana katroka izay no nahatongavan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana teto Madagasikara. Iray volana katroka ihany koa no nanagadran’ny fitondram-panjakana azy any Antsiranana. Manjavozavo hatramin’izao ity raharaha ity, tsy mazava ny antony hanagadrana ity filoha teo aloha ity kanefa tsy mbola nisy fanadihadiana lalina natao taminy no sady tsy mbola niatrika fitsarana izy.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 13 Novambra 2014
Politique.Antenimieram-pirenena Hifanatri-tava ny depiote sy ny minisitra

Hisongadina ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ireo solombavambahoaka nanomboka ny alatsinainy 10 novambra ka hatramin’ny talata 2 desambra ho avy izao, ao anatin’ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny taona 2014 hatrehan’izy ireo ankehitriny

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 13 Novambra 2014
Politique.Fitakiana famoahana an’i Dada Miantso firaisankiana ny VOT

Miantso ny firaisankinan’ireo rehetra mitaky ny hamerenana ankalalahana ny filoha Marc Ravalomanana eo anivon’ny fianakaviany eny Faravohitra ny fikambanana Vondron’olon-tsotra (VOT) manohana ny filoha Ravalomanana sy mitaky ny ara-dalàna

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 13 Novambra 2014
Politique.PASITERA MAILHOL Mbola manantena ny ho filoham-pirenena hatrany

Voalazan’ny faminanian’ny pasitera Mailhol fa aorian’ny filoha roa izay nitantana ny firenena teo aloha dia izy no handimby ireto farany eo amin’ny toerana maha filohan’ny repoblikan’i Madagasikara

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 13 Novambra 2014
Politique.Fitondran-dRajaonarimampianina Anaty krizy tanteraka

Nampananatena hanome vola tapitrisa euro ho fanampiana ireo orinasa malagasy ny vondrona eoropeana, lelavola azo ambara hoe kely dia kely raha oharina amin’ny bolongam-bola tokony ho azon’i Madagasikara avy amin’ny FED izay efa mananiky ny 500 tapitrisa euro.Mihitoka ny zava-drehetra, fanapena-maso no atao etsy sy eroa fa raha ny tea marina dia tsy misy zavatra mandeha mihitsy eto ary anaty krizy tanteraka ny fitondram-panjakana, ary efa tena tsy mahita intsony izay lalan-kombany.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 12 Novambra 2014
Politique.Ravalomanana sy Rajaonarimampianina Nihaona tany Antsiranana !

Mikatso tanteraka ny raharaham-pirenena ! Izay no mety antony nidiran’ny filohan’ny repoblika an-tsehatra mihitsy amin’ny famahana ny olana. Raha araka ny nambaran’ny solombavambahoaka iray avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana omaly alina tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray eto an-drenivohitra mantsy dia hoe :

Hamaky ny tohiny
FTT