Iray volana katroka izay no nahatongavan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana teto Madagasikara. Iray volana katroka ihany koa no nanagadran’ny fitondram-panjakana azy any Antsiranana. Manjavozavo hatramin’izao ity raharaha ity, tsy mazava ny antony hanagadrana ity filoha teo aloha ity kanefa tsy mbola nisy fanadihadiana lalina natao taminy no sady tsy mbola niatrika fitsarana izy.
Mistery…
Miovaova be ihany ny fanazavana hany azo avy amin’ny fitondram-panjakana. Tany am-boalohany nolazaina fa hoe ho fiarovana ny ainy dia napetraka any amin’ny toerana azo antoka izy. Nambara fa tsy maintsy handray anjara mivantana amin’ny fampihavanam-pirenena i Marc Ravalomanana ; avy eo nisy fitoriana tampoka indray ary nolazaina fa ny fidirana an-tsokosoko teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny fiaramanidina no vesatra iampangana azy. Hatreto anefa tsy fantatra izay tea marina momba io fiaramanidina io na dia teo aza ny fanadihadiana natao teo Madagasikara sy tany Afrika atsimo. Voalaza fa efa nihaona tamin’ny solontenan’ny vondrona afrikanina sy ny filoha Rajaonarimampianina tany Antsiranana i Marc Ravalomanana. Mijanona ho mistery anefa ny votoatin-dresaka tao, tonga koa ity ny SADC, tsy dia handrenesam-peo firy kanefa tombanan’ny maro fa misy ifandraisany amin’ny raharaha Ravalomanana ny fahatongavany eto.
Tena Tia Tanindrazana
Sarotra ny mino, hoy ny ankamaroan’ny olona nanontaniana fa hoe tena tsy nahafantatra tokoa ny fahatongavan’ity filoha teo aloha ity teto Madagasikara ny mpitondra, maro no mihevitra fa nisy fifampiresahana efa natao mialoha. Misy koa ny resy lahatra ary mihevitra fa tsy maintsy nisy firenena matanjaka nanohana an’i Marc Ravalomanana ary nanampy azy niditra teto Madagasikara. Ny mpanara-baovao dia mihevitra ihany koa fa misy antony manokana matoa tonga i Dada, ary matoa nandeha tany Antsiranana mihitsy nihaona mitokana taminy ny filoham-pirenena dia ao raha ! Tsy sanatria tonga hanakorontana aho fa kosa tonga hitondra ny anjara birikiko amin’ny fanarenana an’i Madagasikara, hoy i Marc Ravalomanana. Azony natao tsara ny nipetraka milamina tany Afrika atsimo, ary ny fanjakana tany aza efa saika hanome pasipaoro afrikanina tatsimo azy, saingy amin’ny maha tena tia tanindrazana azy dia naleony nody teto Madagasikara. Hatramin’ny 2009 no efa nisy firenen-dehibe tsy latsaky ny 3 nanaiky ny hampiantrano an’i Marc Ravalomanana, saingy nolaviny izany satria hoy izy hoe : « …fantatro fa mbola misy adidy tsy maintsy ataoko amin’i Madagasikara, ary tsy maintsy tafaverina any aho »
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.