Mikatso tanteraka ny raharaham-pirenena ! Izay no mety antony nidiran’ny filohan’ny repoblika an-tsehatra mihitsy amin’ny famahana ny olana. Raha araka ny nambaran’ny solombavambahoaka iray avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana omaly alina tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray eto an-drenivohitra mantsy dia hoe :
nihaona tany Antsiranana ny alahady lasa teo ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tsy nisy nipika ny resaka satria dia tena fihaonana teo amin’izy mirahalahy irery mihitsy izy ity. Azo antoka anefa fa manodidina an’i Marc Ravalomanana sy ny fampihavanam-pirenena ny resaka, eo ihany koa ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny satria zavatra mifandray daholo ireo. Ny manitikitika ny sain’ny mpanara-baovao dia ny hoe : misy tsiambaratelo nifampizaran’izy mirahalahy ireto ve ? Raha misy ny fifandaminana dia inona ny nifanarahana ? Inona no mety ho takalony raha toa ka manapa-kevitra ny hamotsotra an’i Marc Ravalomanana ny filoham-pirenena am-perinasa ? Miha maro tokoa mantsy ankehitriny ny olona mihevitra fa efa nahafantatra iny fiverenan’i Dada iny i Hery Rajaonarimampianina. Mety efa nisy ny fifampiresahana sy fifanarahana mialoha, saingy niova tampoka izany noho ny antony tsy mbola fantatra mazava hatramin’izao. Fantatra ihany koa fa manohy hatrany ny fanelanelanana eo amin’ny filoha mirahalahy ny minisitry ny fambolena Roland Ravatomanga, midika izany fa mitohy foana ny fifampidinihana ary tsy maintsy hisy ny fifanarahana atsy ho atsy. Etsy an-kilan’izay dia tsy misy mihitsy ny vaovao ofisialy momba ny tohin’ny fanadihadiana momba ny fomba nahatongavan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana teto Madagasikara, tahaka izany koa ny momba an’i Jean Marc Koumba sy ireo mpiasan’ny ACM. Inona no dikan’izany ? Tena mikatso ve ny fanadihadiana ? Misy zavatra afenina ve sa misy zavatra tadiavina hoforomporonina ? Sa miandry fanapahan-kevitra politika avo lenta ? Misy antony goavana matoa tonga tany Antsiranana mihitsy mba hiresaka tamin’i Marc Ravalomanana ny filoham-pirenena. Ho hita miandalana eo ihany ny tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.