Voalazan’ny faminanian’ny pasitera Mailhol fa aorian’ny filoha roa izay nitantana ny firenena teo aloha dia izy no handimby ireto farany eo amin’ny toerana maha filohan’ny repoblikan’i Madagasikara
Raha ny fanazavan’ity filohan’ny fiangonana Apokalipsy ity anefa dia diso ny fanisana nataony taorian’ny taona 2003 ka hatramin’ny taona 2013 izay taona fantatra fa tokony hitondrany ny firenena. Arak’izay dia mbola manantena hatrany i pasitera Maihol ny amin’ny hitondrany ny firenena aorian’ireo filoha izay voalazany ireo. Raha ny fanazavany hatrany dia tokony hotanterahina haingana io fampihavanam-pirenena io mba hahazoan’i Madagasikara fankatoavana avy any ivelany indrindra eo amin’ny famatsiana vola ho antsika sy ny fanatanterahana ny voalazan’ny tondrozotra. Ny fanomezan-tanana ny mpitondra ankehitriny kosa, hoy izy no tokony hataon’ny mpanao politika. Manoloana io fanehoan-kevitry ny mpaminany Mailhol io dia nilaza ireo mpanara-baovao fa mahay miala bala izy amin’ny tsy fahatanterahan’ny faminana izay nolazainy hatramin’izay ka dia ho hita eo indray ny mety ho tohin’ity hoe izy indray no hitondra aorian’ny filoham-pirenena ankehitriny ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.