Nampananatena hanome vola tapitrisa euro ho fanampiana ireo orinasa malagasy ny vondrona eoropeana, lelavola azo ambara hoe kely dia kely raha oharina amin’ny bolongam-bola tokony ho azon’i Madagasikara avy amin’ny FED izay efa mananiky ny 500 tapitrisa euro.Mihitoka ny zava-drehetra, fanapena-maso no atao etsy sy eroa fa raha ny tea marina dia tsy misy zavatra mandeha mihitsy eto ary anaty krizy tanteraka ny fitondram-panjakana, ary efa tena tsy mahita intsony izay lalan-kombany.
Famatsiam-bola…diplaomatika
Fihetsika diplaomatika io nataon’ny eoropeana io fa raha ny tena marina dia mbola tsy hanome famatsiam-bola goavana ho an’i Madagasikara mihitsy izy ireo, ary tahaka izany daholo ny mpamatsy vola avy any ivelany rehetra.Ilay PND na drafitra fampandrosoana ny firenena raha teo moa , omaly alarobia vao voaresaka mazava tsara tao anatin’ny filankevitry ny governemanta, mbola aorian’io vao hisy ny fivoriamben’ireo mpiara-mias asy mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara.Raha tsorina ny resaka dia tsy misy famatsiam-bola ho azo mihitsy aloha amin’ity 2014 ity, fa dia ho hita eo indray ny amin’ny taona ho avy io.
Tsy atokisan’ny olona
Kabary sy fampitoniana ny vahoaka fotsiny noho izany no ataon’ny mpitondra fanjakana, mikatso ny toe-draharaha noho ireto teboka manaraka ireto :tsy mbola tanteraka hatramin’ny farany ny tondrozotra, tsy misy ny dingana goavana momba ny fampihavanam-pirenena, tsy mahafa-po ireo mpiara-miasa ny fomba fitantanana eto satria toa vao miha nirongatra ny kolikoly sy ny karazana trafika sy fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena hatramin’ny naha filoha an’i Hery Rajaonarimampianina.Misy antony matoa mifandimby mandefa iraka eto Madagasikara ny firenena mikambana, ny tahirim-bola iraisam-pirenena, ny vondrona Afrikanina ary ny SADC.Misy ny zavatra tsy maintsy alamina sy atao mazava tsara aloha ary azo antoka fa anisan’izany ny raharaha Marc Ravalomanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.