• Alakamisy 04 Desambra 2014
Politique.Ramanantenasoa Noeline, minisitry ny fitsarana « Tsy migadra izany i Marc Ravalomanana »

Omaly tolakandro ihany dia efa namaly ny fanambaran-dRamatoa Lalao Ravalomanana sy ireo mpisolovava an’Atoa Marc Ravalomanana teny Faravohitra ny minisitry ny fitsarana Ramanantenasoa Noeline ary nilaza fa tsy mbola migadra izany mihitsy ity filoha teo aloha ity satria tsy mbola misy ny didim-pitsarana mampiditra azy ho any am-ponja. Mbola ny fanadihadiana manodidina ny nahatongavany teo Madagasikara tamin’ny alalan’ny fiaramandina tsy nanana fahazoan-dalana hiditra eto no atao amin’izao fotoana, hoy ny minisitry ny fitsarana.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 03 Desambra 2014
Politique.Fizarana enina ny renivohitra Miankina amin’ny fahefan’ny ben’ny tanàna

Tsy mbola tonga eny amin’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena hatramin’ny faran’ny volana novambra 2014 teo ilay volavolan-dalàna fizarana ho enina an’Antananarivo renivohitra. Sokajian’ny solombavambahoakan’i Madagasikara Rajohnson Mamy ho fanapotehana tsotra izao ny maha izy azy ny renivohitry ny firenena

Hamaky ny tohiny
  • Talata 02 Desambra 2014
Politique.Depiote Ravelonanosy Mamy Tiana Fifandrifian-javatra ihany iny resaka « tablette » iny

Fifandrifian-javatra ihany iny resaka fizarana “tablette” sy fandaniana ny volavolan-dalàna mahakasika ny tetibolam-panjakana 2015 nataonay solombavambahoaka teny Tsimbazaza tamin’ny faran’ny herinandro iny fa tsy misy hifandraisany velively, hoy ny depite Ravelonanosy Mamy Tiana avy amin’ny vondrona parlemantera TIM omaly.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 02 Desambra 2014
Politique.Filohan’ny HAFARI Malagasy Misy mikasa hisambotra indray

Misy mikasa hisambotra ny filohan’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina. Fiara 4x4 feno Emmo-reg no nihaodihaody teny amin’ny biraony eny Anosizato Atsinanana ny sabotsy ny alahady alina lasa teo, araka ny fanazavany.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 01 Desambra 2014
Politique.Hafatr’i Dada « Mijoro amin’ny marina hatramin’ny farany isika »

Nampita hafatra ho an’ny Malagasy sy ireo mpiara-dia aminy mihaona tsy tapaka eny amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ny sabotsy lasa Rtoa Lalao Ravalomanana rehefa avy nihaona tamin’ny vadiny dia ny filoha teo aloha Atoa Marc Ravalomanana

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 01 Desambra 2014
Politique.Antoko HVM Hanatanteraka fihaonambe

Hanatanteraka fihaonambe ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara ny 19 sy ny 20 Desambra ho avy izao

Hamaky ny tohiny
FTT