Misy mikasa hisambotra ny filohan’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina. Fiara 4x4 feno Emmo-reg no nihaodihaody teny amin’ny biraony eny Anosizato Atsinanana ny sabotsy ny alahady alina lasa teo, araka ny fanazavany.
. Noho ny filazana fa anisan’ireo nitarika ilay andian’olona tonga nanakorontana teny amin’ny biraon’ny polisy monisipaly Anosipatrana ny zoma lasa teo no antony. Nisy ny filazana fa nisy nahita teny Anosizato Atsinanana ny tenany tamin’io andro io. Toeram-ponenako eny ka tokony hahitana ahy foana, hoy izy. Fanendrikendrehana, fanaratsiana ho an’ny filohan’ny HAFARI no anton’izao fanalam-baraka azy izao manoloana ny zava-bitany amin’ny fanasoavam-bahoaka eto amin’ny firenena. Tsy izahay mihitsy no hitady fandaminan-javatra anaty korontana ary tsy izahay ihany koa no ho mpikarama an’ady politika satria efa ampy anay ny zava-bitanay. Mikasika ireo polisy monisipaly manokana dia nantitranterin-dRafanomezantsoa Jean Nirina fa “faute professionnelle” ireny nataon’izy ireo ireny. Tokony hisy mantsy aloha ny fifampiresahana sy ny fandaminana eo amin’ny tompon’andraikitra sy ny mpitarika posy izay vao miroso amin’ny hetsika tahaka ireny. Anisan’izany ny fanomezana “carte grise” azy ireny, ny “permis”… Namaranan’ny filohan’ny HAFARI azy moa ny hoe : vonona izy ireo ny hifanatrika mivantana amin’ny Pds-n’ny kaominina Antananarivo Renivohitra raha ilaina izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.